• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 6, 2026

Tena tianao ve?

Andro namoahana Jan 6, 2026

Tsy nikasa ny hiresaka an'io lohahevitra io mihitsy aho tamin'ity herinandro ity, saingy navelan'Andriamanitra hisy diso ny lohatenin'ny lahatsoratro, izay nahatonga ahy nahatakatra fa zava-dehibe Aminy io lohahevitra io. Noho izany, avy amin’ny fon’Andriamanitra no itondrako anao izao hafatra izao: tonga ny fotoana hamelàna heloka. Eny, izao no fotoana hamelàna heloka, satria te hanavao anao Andriamanitra.

Rehefa nifandray tamin’ny vehivavy hafa ilay vadiko taloha, izay vao avy nandratra ahy mafy, andro vitsivitsy monja taorian’ny fisarahanay, dia tsy nety namela azy mihitsy aho!

Angamba ianao efa niaina toe-javatra mitovy amin'izany ary azonao tsara izany fahatsapana izany! Mety hiteny amiko mihitsy aza ianao hoe: "Tsy mendrika famindram-po izy!" Anio, taona vitsivitsy aty aoriana, dia fantatro fa nanakana fitahiana goavana teo amin’ny fiainako aho raha tsy nahay namela heloka! 

Ny famelan-keloka ANIO dia manokatra ny fitahian'ny AMPITSO!

Toy izany koa i Josefa! Nivarotra azy ireo rahalahiny tamin’izy vao 17 taona (!) ary nihevitra ny hamono azy mihitsy aza! (Jereo ny Genesisy 37:12-28).

Nefa dia tonga mpamonjy ny tany niaviany i Josefa rehefa tanilan'i Farao! Nandritry ny mosary, rehefa tonga nangataka vary ny rahalahiny, dia tsy fantatr’ireo teo noho eo izy.. Ary fotoana teny nety nanaovana valifaty izay fotoana izay : afaka niteny koa izy hoe: "Tsy mendrika famindram-po izy ireo!"

Natoky an’Andriamaniny tamin’ny fony manontolo anefa i Josefa. Tsy misy mihoatra, tsy misy latsaka. Ary te hamela azy ireo izy. Tsy misy mihoatra, tsy misy latsaka. Satria fantany fa ny lalan'Andriamanitra dia ny lalan'ny fitiavana:

"Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako." (Isaia 55:8).

Ny fandavan’i Josefa ny hamela heloka dia nety ho nanimba ity tantaran’ny famonjena ity ho an’ny firenena iray manontolo. Afaka nandany ny fiainany manontolo tany am-ponja izy, tamin’ny fo kivy. Fa ny famelan-keloka no nanafaka sy namoaka azy avy tao!

Avy ato am-poko lalina, dia te-hametraka anao izao fanontaniana izao aho: “Vonona hamela heloka ve ianao anio, mba hahita ny fitahiana izay efa nomanin’Andriamanitra ho an’ireo izay matoky Azy?” (Jereo ny 1 Korintiana 2:9 ).

Mamporisika anao aho hanome ny valinteninao amin’i Jesosy anatin’ny vavaka.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.