Tena misy ny aizina…
“Ianao koa – ilay olona mazava sy mamirapiratra foana – toa very ny tsikinao.” Izay no tsapako tato ho ato, ary nampatahotra ahy izany !
Tsy nila nitady lavitra aho mba hahita ny antony. Andro maro no tsy niainako afa-tsy aizina, vaovao sy horonan-tsary mampatahotra tsy tambo isaina tamin’ny tambajotra sosialy. Tamin’ny fotoana fisakafoanana, alohan’ny hatory... na aiza na aiza. Satria te “haharaka vaovao”, sa tsy izany ?
Fa fantatrao ve ny mitranga avy eo ? Raha ny haizina no handanianao andro, dia ho faty tsikelikely ny hazavana ao anatinao. Hitanao, tena misy ny haizina, fa ny Hazavany kosa dia mbola tena misy kokoa !
Inona ary no tokony atao ? Mivokisa ny fahamarinana, mba tsy hitsahatra ny famirapiratan’ny hazavanao !
Eny, izaho sy ianao dia samy manana iraka iray ! Ny iraka ho fahazavana eto amin’izao tontolo izao. Hoy ny ao amin’ny Matio 5:14 : “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.”
Tsy amin’ny fotoana efa mazava ihany, fa indrindra rehefa maizina ! Efa nieritreritra an’izany ve ianao ? Rehefa maizina no tena hita miharihary indrindra ny hazavana.
Izay indrindra no maha-zava-dehibe ny tsy hanadinoanao ny iraka napetraka aminao ! Ary ny fahatsiarovanao ihany koa ny loharano izay mihazona ny hazavanao !
Ao amin’ny Filipianina 2 dia voasoratra hoe : “mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.” (Filipiana 2.15-16)
Fahamarinana mazava tsara izany : tian’Andriamanitra ianao hamiratra hatrany, na dia amin’ny fotoana maizina aza, ka hitondra ny Tenin’ny Fiainana amin’izany.
Izay no irakao : mivokisa ny marina mba tsy hitsahatra ny famirapiratan’ny hazavanao !
Mampahery anao aho mba hikiry hatrany hifikitra amin’ny marina, ary hampiely izany hazavana izany ao anatin’ny aizina manodidina antsika. Satria raha tsy ianao no hanao izany, dia iza indray? Ary raha tsy izao, rahoviana aza?
Fahagagana ianao!