• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 18, 2026

Tena mino ve ianao fa nankinin'Andriamanitra tamin'i Jesosy io iraka io raha...

Andro namoahana Feb 18, 2026

Andriamanitra dia te hampiseho aminao ny fitiavany na dia ao anatin'ny fotoan-tsarotra indrindra aza! Ary amin'ireo teny ireo no tiako hanombohana azy ry namako satria hiara-hijery ny bokin’ny Apokalypsy isika. Tsy haiko raha toa ahy koa ianao fa hialako foana ny famakiana io boky farany ao amin’ny Baiboly io nandritra ny taona maro. Sarotra loatra, hafahafa loatra, ary mety hampatahotra mihitsy aza.

Feno fitiavana ho anao anefa ity boky ity.

Andeha atomboka amin’ity andalan-teny ity izay voasoratra hoe: 🌥️ “Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy,” (Apokalypsy 1:7)

Efa nanontany tena ve ianao hoe: "Ah, tena hahita Azy tokoa ve aho?"

Manomboka misy fisalasalana ve ao anatinao ary hoy ianao hoe tsy "mendrika" ianao, na mbola tsy vonona ho amin'izany andro izany?

Jereo izay voasoratra ato amin'ity pejy ity ihany:

Ho an'izay tia antsika”. (jereo ny Apokalypsy 1:5) ❤️

Tia anao Izy. ❤️

Ary raha mbola mieritreritra ianao hoe: "Fa izaho anie ka tsy tanteraka e, feno fahadisoana sy fahotana", dia izao ihany no havaliko anao hoe:

"Fantatr'Andriamanitra izany na dia talohan'ny namoronany anao aza. TIA ANAO IZY KA NIFIDY ANAO!" (jereo ny Efesiana 1:4).

Izany no mahatonga an'ity fanehom-pitiavan’ Andriamanitra ao amin'ny Apokalypsy ity (araky ny nolazaiko taminao fa feno fitiavana ity boky lazaina fa mampatahotra ity 😊) dia mitohy hoe:

Ho an'izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny”. (Apokalypsy 1:5).

Impiry ianao no nangataka famelan-keloka tamin’i Jesosy? Matetika tokoa angamba. Afaka mahatoky ianao fa ny masonao dia hahita Azy.

Ahoana? Mbola misalasala ihany ianao?

Noho izany, mamelà ahy hametraka fanontaniana tena tsotra aminao: “Tena mino ve ianao fa nanome izany iraka izany ho an’ny Zanany malalany Andriamanitra raha toa ka lainga daholo izany?” 😳

Ny ran'i Jesosy dia manana hery hanafaka anao amin'ny fahotanao rehetra!!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.