• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 2, 2026

Tena mahita anao Andriamanitra

Andro namoahana Jol 2, 2026

Tiako ny hoe manana Andriamanitra mahita antsika isika araka ny voasoratra ao amin’ny Genesisy 16: 13 manao hoe « Ary Hagara nanao ny anaran’i Jehovah, Izay niteny taminy, hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ny fahitana ». Ary moa va tsy mahasoa izany ? Eny tokoa, te hanasoa anao Andriamanitra ! Ary mba hahatanterahan’izany dia zava-dehibe ny fanomananao ny fonao mba tsy hahavery ilay “soa”. Hojerentsika miaraka ao anatin’ny andro vitsivitsy ny tena dikan’izany hoe hitan’Andriamanitra izany.

“Tsy tena mijery ahy intsony ny vadiko.”

Mampalahelo ahy ny maheno vehivavy na lehilahy iray milaza zavatra toy izany momba ny vadiny. Isika rehetra dia samy mahalala ny fihetseham-po ateraky ny hoe tampoka teo dia tsy noraharahiana intsony.

Tena marary tokoa izany… Saingy rehefa miezaka manakatra ny fahamarinana ianao dia hanjavona ho azy ny ratranao. Koa miangavy anao anio, miezaha manakatra fa mety ho zava-tsarobidy kokoa ho an’ny fiainanao izany !

Tsy ianao misy mahita no zava-dehibe fa ilay mahita anao !

Mandritran’ianao miasa saina amin’ny hoe “tsy misy mahita aho”, ilay mahay ny zavatra rehetra kosa dia mifantoka tanteraka aminao ny fiheverany ! Voasoratra ao amin’ny Testamenta taloha, dia ny Genesisy 16:13, ny hoe : “Hianao no Andriamanitra Izay mahita”.

Fanamafisana avy amin’Andriamanitra mihitsy izany !

Ary hitantsika ao amin’ny Testamenta vaovao Jesosy nilaza hoe : “Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino”. (Marka 9.23)

Manana Andriamanitra mahita anao ianao, izay mahefa ny zavatra rehetra sy matoky anao !

Hitan’Andriamanitra ianao ! Ianao io mihitsy ! Ary afaka manome izay rehetra ilainao mba handrosoana izy, na dia tsy miraharaha anao aza ny manodidina anao. Am-pitiavana dia te hameno anao amin’ny fahasoavany, amin’ny heriny, amin’ny fampiononany ary amin’ny hafaliana maro tsy ampoizina Izy.

Ny zava-dehibe dia ianao mampifantoka ny masonao Aminy ary tsy manala ny fijerinao na dia diso fanantenana aza ka mba te ho hitan’ilay olona manan-danja aminao.

Aza adino fa, toy ilay ianao manantena hojeren’ilay tianao dia manantena ny hojerenao ihany koa Andriamanitra ! Eny, tena tia anao Izy !

Tia anao Andriamanitra ary mahita anao izy izao ankehitriny izao…

Sitrakao ve ny hihato fotoana fohy anio mba hibanjinana Azy ?

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.