Tena mahavita an’izany ve i Jesosy? 🤔
Eny, efa imbetsaka isika no nandre izany, tena mora takarina - kanefa, impiry isika no misafidy ny handeha amin’ny lalantsika? Nahoana? Moa ve izany satria tsy hitanao hoe ahoana no mety ho ataon’Andriamanitra amin'ny toe-javatra sarotra misy anao? Endrey ny fahakelezan’ny finoantsika matetika!
Sa adinontsika ve ny fomba namalian’i Jesosy ny tenin’ny raim-pianakaviana feno fisalasalana, izay nanan-janaka azon’ny fanahy ratsy? Nitalaho ilay raim-pianakaviana hoe: “fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.” (jereo Marka 9:22).
Raha mba misy hainao… “Mazava ho azy fa haiko”, angamba hoy i Jesosy. Izany no nahatonga Azy namaly hoe: “Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.” (Marka 9:23).
Na, raha apetraka amin’ny teny ankehitriny hoe: “Rehefa mandre famoizam-po aho, dia mampitombo ny fanantenako!”
Te hampirisika anao aho mba hino tanteraka fa tsy manao zavatra antsasa-dalana mihitsy i Jesosy! Tsy hahafoy anao amin’izay misy anao Izy - fa hampandroso anao Izy, ary hitarika anao lavidavitra kokoa!
Vonona ny hatoky Azy tanteraka ve ianao, fa tsy hiantehitra amin’ny fombanao manokana - izay voafetra? Satria:
"Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena." (Asan’ny Apostoly 4:12).
Ary io Jesosy mahafinaritra io koa dia te hitondra famonjena ho anao. Matokia Azy - TANTERAKA.