• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 3, 2023

Tena faly tokoa ve ianao ?

Andro namoahana Aog 3, 2023

 

Efa nahare momba ny fahasambarana feno ve ianao ? Mino aho fa efa nahare izany ianao ! Ary mety efa imbetsaka teo amin’ny fiainanao no nandrenesanao momba izany , sa tsy izany ?

Ny teny hoe « tena sambatra » dia fandikana ny teny grika μακάριος, « macarios », izay mifandray amin’ny hevitry ny fahasambarana. Ny baiboly « Amplified » amin’ny teny anglisy dia mandika azy io hoe : « Sambatra, manan-karena ara-panahy ». Oay! Ny hasambarana tsirairay dia natao hitahiana anao, hitarihana anao ary hitondra fahasambarana lalina ho anao. Efa nisaina izany ve ianao ?

Hoy ny Baiboly : « Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy… » (Matio 5 :1-2). Rehefa nahita ny vahoaka Jesosy dia teraka tao Aminy ny faniriana te hizara fampianarana manova fiainana ho an’ny olona rehetra ary ny fampianarana voalohany nozarainy tamin’ny vahoaka dia ny Fahasambarana.

Ry namako, mahita anao Jesosy androany ary te hizara aminao ireo fampianarana ireo koa Izy satria hanampy anao hiaina fiainana feno fahasambarana sy fitahiana izany. Tian’Andriamanitra ho « tena sambatra » ianao !

Manasa anao aho hiara-hivavaka amiko : « Tompo ô, ampio izahay amin’ity herinandro ity mba handalina ny fampianarana tianao hampitaina aminay amin’ny alalan’ny Fanambaranao izay feno fitahiana sy fahasambarana ho an’ny fiainana. Misaotra ny amin’ny Fitiavanao sy sy ny amin’izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainanay ! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen »

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.