Tempoly masina ⛪
Tempoly masina ⛪
Rehefa manorina trano dia matetika andaniana vola be ny manao ny fototra, raha tena matihanina moa izany ny mpanorina. Nisy olona nilaza tamiko hoe mitotvy amin’ny trano tazana ety ivelany ny fandaniana amin’ny fanaovana fototra satria iny no tena ain-dehiben’ny trano.
Ny tenantsika koa dia oharina amin’ny trano na “tempoly”. Hoy ny 1 Korintiana 6:19 hoe “Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina..” Eny miaina ao anatintsika ny Fanahy Masina ary avy ao izy no mampianatra, manome torolalana, manintsy antsika. Sarobidy ny naloan’i Jesosy mba ahafahany monina ao anatinao. Ny ainy mihitsy no nafoiny ho anao.
Faniriany ianao hihorina tsara, tsy angozohozo na hirodana.
Tsy izay mihitsy moa ve ny nambarany ao amin’ny Matio 7? Manomboka eo amin’ny andininy 24 dia hoy Izy : “ Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy. Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.” Matio 7: 24-27
Anio, safidio ny hanorenanao ny “tranonao”. Ny Tompo tsy nilaza hoe tsy hisy ny ranonorona na riaka na rivotra mety hifofofofo, fa na hisy aza izany dia tsy hampianjera na handavo anao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕