• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 10, 2024

❤️‍🔥Te-handray ny Afony masina ve ianao ?

Andro namoahana Jol 10, 2024

 

Efa imbetsaka angamba ianao no nandre fa Andriamanitra dia fitiavana, Izy no fahazavana, ary koa ireo toetra sarobidy maro hafa hananany.

Saingy fantatrao ve fa Andriamanitra koa dia afo?

Izao anefa no ambaran'ilay andininy efa fantatsika loatra ao amin'ny Baiboly hoe : “Ny Andriamanitsika dia afo mandevona.” (Hebreo 12:29).

Eny, tsy afo tsotra Izy, fa Andriamanitra dia afo mandevona !!!

Fantaro fa ilay Andriamanitra izay niseho tamin’i Mosesy tao amin’ilay kirihitra nirehitra nefa tsy nandevona azy, no nilaza tamin’i Mosesy ihany koa fa vonona ny handevona ny fahalotoan'ny Olony rehetra (Deoteronomia 4:23-24).

Te hanadio anao tahaka ny volamena Andriamanitra (1 Petera 1:7). Ary izao no asan'ny Afony masina :

  • Mandevona ny loton'ny fiainantsika
  • Mikasika antsika Izy mba hamolavolaina antsika
  • Mampamirapiratra antsika toy ny volamena Izy.

Ry namako, mangataha amin’Andriamanitra mba handatsahany ny Afony masina eo amin’ny fiainanao.

Anio, miaraha mivavaka amiko, ary mangataha amin'Andriamanitra mba handatsahany ny Afony eo amin'ny fiainanao. Mivavaha mba hanamasinan’Andriamanitra antsika tahaka ny nataony tamin’ny voalohany, mba ho feno  ny Fitiavan’Andriamanitra madio ny fontsika ! 

Ato am-poko sy anaty vavako manokana ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.