๐ Te hividy Ferrari ve ianao ?

Inona no antony manosika anao hiasa ?
Ny lafiny ara-bola dia tena zava-dehibe tokoa rehefa miresaka asa . Inona tokoa moa fa ny karama azonao, no hahafantaranao raha afaka hiaina amin’ny fahampiana ianao, na hiaina tsaratsara kokoa, na angamba aza ahafahanao mihary mba hividianana Ferrari indray andro any ! ๐
Fa matetika dia ampifandraisintsika amin’ny resaka ara-bola fotsiny ny asa, ka hadinontsika ny tena zava-dehibe hafa tokony ho dinihina. Fa maninona ianao no manao ity asa ity ? Inona no tanjonao amin’izay ataonao isan’andro ?
Misy fotoana ahatsapantsika hoe tsy dia manan-danja loatra ilay asa, angamba noho izy tsy dia be karama, na noho ny fijerin’ny hafa azy. Nefa, ity misy ohatra momba ireny mpiasan’ny “supermarché” ireny nandritra ny valan’aretina COVID-19 tamin’ny 2020 : Natao laharam-pahamehana ny asa nataon’izy ireo, nefa teo aloha toa tsy noraharahin’ny fiarahamonina izy ireo, tonga kosa ny fotoana nahatsapana fa ilaina maika sy tsy azo soloina ny asany. Tena nanan-danja lehibe ho antsika rehetra ny asan’izy ireo !
๐Hoy ny Baiboly : “ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona” (Kolosiana 3:23)
Izany no fanalahidy : Ataovy ho ivon’ny fiainanao sy ny asanao i Jesosy.
-
Raha mpandrindra rindrambaiko (développeur) ianao, dia manorata tsirairay ny “code” toy ny hoe tononkalo atolotrao ho an’ny Tompo, satria hanampy olona maro ilay application amboarinao.
-
Raha mpampianatra ianao, dia ampianaro toy ny hoe Andriamanitra mihitsy ny mpianatrao
-
Raha mpamafa lalana ianao, sasao sy karakarao tahaka ny hoe manadio ny tranonao handraisana an’i Jesosy ianao.
Rehefa asehonao amin’ny asanao fa vonona hanompo an’Andriamanitra ianao, dia hahazo lanja vaovao eo amin’ny fiainanao izany! Na dia ny asa kely indrindra aza, dia ho lasa fitahiana lehibe!
Andriamanitra dia tia anao, ary tiany hanompo Azy amin’ny fonao manontolo ianao.
Fahagagana ianao !

