Te hivavaka miaraka amiko ve ianao?
Tato ato dia nasehon’Andriamanitra ahy fa mila miaraka be be kokoa Aminy isika. 🕖
Tamin’izany indrindra no nanaovana ny “Conference des miracles”. Io no fotoana tena andrasako indrindra isan-taona! Ary tamin’ity taona ity dia vao mainka nitombo sy nihalehibe io hetsika io — wowww!
Tsara ny fitomboana — nefa misy vidiny koa ny fitomboana 😄. Ka talohan’ilay hetsika dia tena nanomboka nitebiteby aho… Ary na dia tena mifandray akaiky amin’Andriamanitra aza aho, dia nanomboka nizara ny ahiahiko tamin’ny namako.
Ary teo indrindra no nahenoako an’Andriamanitra nilaza hoe : “IZAHO no fiarovanao — zarao AMIKO ny alahelonao!”
Ah, fantatsika amin’ny teoria izany, sa tsy izany ? Kanefa amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa dia mbola voasarika hitady fanampiana any an-kafa foana isika…
Tamin’izay aho no naka ny bokim-bavako : « Prie & Vis », ary inona no hitako?
“Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo” (Isaia 43:2)
Woww! Tena nanohina ahy izany, ka tiako hozaraina aminao ilay vavaka mifandray amin’io andininy io — miaraha amiko raha tianao :
“Tsaroako ireo fotoana rehetra izay naharesy ahy, ary ny fahatokianao izay tsy niova na oviana na oviana. Nahoana aho no mbola misalasala indraindray, nefa efa imbetsaka Ianao no nanampy ahy? Te hino tanteraka aho fa miaraka amiko Ianao.
Eny, eo foana Ianao ho ahy.
Indraindray mety haharitra kokoa ny valinteninao, nefa fantatro fa any ambadika any, efa miasa ho an’ny vahaolako Ianao.
Ray ô, tena tiako ho tafiditra lalina ao anatiko izany, ary hiaina lavitry ny tahotra kokoa aho. Misaotra tamin’ ireo fotoana rehetra efa namonjenao ahy. Fantatro fa hanao izany indray Ianao!
Miandry Anao aho — satria miditra an-tsehatra ho ahy foana Ianao.
Misaotra, Ray ô! Misaotra noho Ianao eo amin’ny fiainako. Amen.”
Fahagagana ianao!