Te hiresaka aminao Andriamanitra…
Inona moa ireo teny nahakivy anao, ka nitady hamafa ilay nofinofy tao anatinao ?
Fony aho vao nanomboka tamin’ity asa ity taona maro lasa izay, impiry moa aho no nandeha tany amin’ireo trano mpamokatra hira, rehefa avy nividy tapakila fiaramanidina nankany Berlin tamin’ny volako farany. Te hampiseho ny sanganasako manokana aho, nefa izao foana no valinteny miverimberina azoko: "Ezaka tsara ihany, saingy aleo ianao mitady asa hafa. Tsy natao ho anao ny mozika".
Isaky ny nandre izany aho, dia simba tanteraka ny saiko. Teo anelanelan’ny zavatra napetrak’Andriamanitra tao anatiko, anisan’izany ity talenta tsapako ho mafy be ity - miaraka amin’ny fampanantenana hoe: "Ary misy fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah" (Jeremia 31.17) - sy ireo teny vao reko teo hoe: "Tsy ampy fahaizana ianao", dia nahatsiaro ho tao anatin’ny ady lehibe aho!
Saingy ny mpamokatra ahy kosa tsy taitra tamin’ireo fanehoan-kevitra ratsy ireo. Namerimberina tamiko foana izy hoe: "Mazotoa ary mahareta ianao (Ohabolana 13.4). Ho hitanao fa mbola haharitra ela kokoa noho ireo mpanapa-kevitra ao amin’ny trano mpamokatra hira ireo ianao. Mihozongozona ny toerany. Mety ho voaroaka rahampitso izy ireo, fa ny fikasan’Andriamanitra ho anao kosa dia miorina mandrakizay".
Inona no tiana holazaina amin’izany? Anio, taona maro taty aoriana, dia tsikaritro fa nitranga tokoa izay nolazain’ny mpamokatra ahy tamin’izany fotoana izany. Raha nitoky tamin’ny trano mpamokatra hira aho, dia ho "nentin’ny onja" ka “nianjera niaraka taminy". Saingy nisafidy ny hitoky amin’Andriamanitra sy ny Teniny aho, ka afaka niaina izay voasoratra ao amin’ny ohabolana izay hoe:
“Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika.” (Ohabolana 12.3).
Tiako ny mampahatsiahy anao anio fa mampanantena anao koa Andriamanitra - na firy na firy ny taonanao - fa "manana ho avy ianao"! (Jeremia 31.17). Ho avy izay ho tanteraka tsy miankina amin’izay teny rehetra efa nolazaina momba anao!
Ny Teniny dia hihoatra ny teny hafa REHETRA FOANA!
Raha mitoky amin’Andriamanitra isika, tsy hisy zavatra hampihorohoro antsika!
Eny, "...Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika". (Ohabolana 12.3)
Efa nanomana ho avy mamirapiratra ho anao Andriamanitra! Matokia Azy fotsiny!
Fahagagana ianao!