π Te hanontany vaovao momba anao aho

Manao ahoana ny toe-ponao?
Manao ahoana ianao manoloana ireo vaovao marobe renao ankehitriny?
Eny, te hampahery anao aho anio - sy amin’ny andro ho avy manaraka. Anio dia amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana anao ny vavaka nataon’i Jesosy alohan’ny hiakarany any an-danitra no hanaovako izany. Zava - dehibe Aminy ny fijanonanao mitoetra eo amin’ny Teniny sy eo ambanin’ny Fiarovany, na dia tsy afaka mahita maso Azy aza ianao.
Niresaka tamin’ny Ray any an-danitra toy izao Jesosy:
“Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy. Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao. Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.” (nalaina tao amin’ny Jaona 17:9-17)
Afaka manao “amen” miaraka amiko amin’izany vavak’i Jesosy izany ve ianao?
Raha mitovy amin’ny fahatsapako ny fahatsapanao ankehitriny dia tena mila an’i Jesosy ihany koa ianao. Ary te hiresaka Aminao amin’ny alalan’ny Teniny Izy. Te hampahery Anao ao anatin’izao fahakiviana izao Izy. Satria “Jehovah tsy mba hanary ny olony” (Salamo 94:14)
Avelao Andriamanitra hampionona anao toy izay hanohy ny lalanao manokana.
Satriko indrindra ny hipetraka eo anilanao amin’izao ankehitriny izao ary hamaky ny Teniny miaraka aminao! Saingy noho ny tsy fahafahana dia manasa anao aho hanao ny anjaranao ary izaho kosa etsy ankilany dia hivavaka ho anao mba hahafahanao manambara toa an’i Davida rehefa nahatsapa izy fa:
“Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.” (Salamo 94:19)
Fahagagana ianao!

