• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 22, 2025

Te hahazo fanomezana bebe kokoa ve ianao?

Andro namoahana Des 22, 2025

Tamin’ny taon-dasa, mialoha kelin’ny Krismasy, dia nitsidika ahy ny zanak’anadahiko 7 taona. Ary toy ny nenitoa rehetra moa, dia nampihantaiko tamin’ny fanomezana maro sy nokarakaraiko tsara izy !

Vetivety teo nefa dia toa leo sy adinony ilay fanomezana. Ny tena nandona ahy dia rehefa hoy izy hoe : “Ho avy tsy ho ela ny Krismasy, dia hahazo fanomezana bebe kokoa aho !”

Tsy toa izany ihany koa ve isika eo imason’Andriamanitra ? Impiry moa Izy no nitahy antsika, nanome zava-tsoa, nikarakara antsika, nampiseho ny fitiavany antsika, nefa vetivety dia ataontsika ankilabao izany, ary miandry ny fanomezana manaraka, ny fahagagana manaraka, ny fitahiana vaovao ?

Izaho koa tamin’io fotoana io dia somary nalahelo, niandry - ary nivavaka - ho amin’ny fahagagana! Kanjo adinoko tanteraka fa fahagagana isan’andro no niainako !

Saintsaino kely : impiry Andriamanitra no nitahy anao tamin’ity taona ity ? Impiry Izy no namaly vavaka iray, na nanome izay tena nilainao ?

Azo inoana ve fa efa tsy tsaroanao intsony izany rehetra izany, ary efa miandry ny fahagagana manaraka ianao, nefa tsy naka iray minitra akory hitsinjovana sy hisaorana Azy ?

Raha tianao ny hahita fahagagana bebe kokoa, dia manomboha midera ny Mpanjakanao !

Rehefa nitsambikina tampoka tety an-tratrako ilay zanak’anadahiko tamin’ny andro faran’ny fitsidihany, ary namihina ahy mafy nandritra ny fotoana elaela, dia niredareda ny foko. Tena tsapako ny fitiavany, sy ny fankasitrahany !

Tena nahafaly ahy izany fihina izany ka tsapako tamin’ny fomba feno hoe: izany indrindra no nirin’Andriamanitra!

Koa anio, afaka misaotra an’Andriamanitra fotsiny ve ianao tsy amin’ny fiandrasana zavatra ao ambadika?

Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora. ” (Matio 2.11)

Enga anie hahavita hijanona kely ianao anio, hidera Azy, Ilay Mpanjakantsika ! ✨

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.