🧷Tatin-jaza ho an’ny Noely?
Efa mba nieritreritra ve ianao hoe tena miaina am-pilaminana isika? Raha toa maratra dia misy dokotera afaka mitsabo antsika. Raha noana, dia azo atao ny mividy sakafo. Raha marary lamosina na mijaly, misy ihany koa mpitsabo afaka manampy antsika. Misy vahaolana ho an’ny zava-drehetra. Saika ho an’ny zava-drehetra moa izany e…
Ny Baiboly dia mitantara lehilahy anaky telo izay nikatsaka zavatra ty mbola hita hatrizay! Zazakely afaka mamela heloka, manaisotra ny fahotana rehetra, ary ny vesatra rehetra aterak’izany, mba hanome fanombohana vaovao ho an’ny tsirairay! “fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. ” (Matio 1.21) Wouah !
Hoy izy ireo: “Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.” (Matio 2.2). Nitondra volamena, ditin-kazo manitra, ary miora izy ireo, ary farany dia nahita an’ilay zazakely tao anaty tranon’omby ihany!
Fa maninona no fanomezana toy izany no natolony? Tsy mba mety kokoa ve raha hoe nasiany tatin-jaza, lamba firakotra mafana, na sakafo ho an’ny zazakely?
“Mety” - io mihitsy no teny afaka ilazana azy! Satria ny fanomezana nataony dia tsy natao ho fanampiana ara-batana fotsiny, fa nanana hevi-dalina!
-
Ny volamena dia famantarana ny maha-mpanjaka. Fantatr’izy ireo fa io zazakely io dia Mpanjaka!
-
Ny ditin-kazo manitra kosa dia mariky ny vavaka sy ny fifandraisana. Naneho izy ireo fa tiany ny hifandray amin’io Mpanjaka io!
-
Ary ny miora? Nahafantatra izy ireo fa io zazakely io dia ho faty noho ny antony lehibe!
Fa nahoana? Nahoana ilay Mpanjaka no nirahina ho faty?
Raha bika aman’endrika tsara kokoa no tena nilaintsika, angamba Andriamanitra dia nandefa mpanazatra. Raha mozika tsara kokoa, dia mety nandefa mpamokatra hira ho antsika Izy. Saingy, ny tena nilaintsika dia famonjena! Izany no antony nandefasan’Andriamanitra Mpamonjy, izay maty teo amin’ny hazo fijaliana noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin’ny ota rehetra!
Izy dia teraka mba ho faty. Fa ianao kosa, teraka mba ho velona!
Ankehitriny, miangavy anao aho: angataho amin’ny vavaka ilay Mpamonjy mba hanafaka anao amin’ny fahotanao ary hanome anao fiainana vaovao!
Mirary Krismasy Sambatra ho anao!Ary tsarovy: Fahagagana ianao!
