• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 9, 2025

🔦 Tapaka ny herinaratra!

Andro namoahana Des 9, 2025

Mahafantatra olona "mamiratra" ve ianao? Hitanao, ireny karazan’olona toy ny manana hazavana eo amin'ny fiainany ireny, manana zavatra izay mampiavaka azy.

Ny olona mamiratra fantatro rehetra dia misy zavatra iray iraisan'izy rehetra : samy manana fitiavana manokana izay asehony amin'ny zavatra ataony. Manao izany amin’ny fitsikiny, amin’ny fomba fijery feno hatsaram-panahy, amin’ny halemem-panahiny izy ireo... Eo amin’ny fiainany, dia hita miharihary amin’ny antsipiriany rehetra ny fitiavana.

Eny, mampamirapiratra antsika ny fitiavana. Milaza ny Baiboly fa “Izay milaza fa ao amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny maizina ihany. Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy” (1 Jaona 2:9-10). Ny fitiavana dia toy ny jiro ao an-trano: raha maty ny jiro dia maizina avokoa ny zava-drehetra, fa rehefa miverina ny jiro dia mamirapiratra ny hazavana. Rehefa mamirapiratra eo amin'ny fiainanao ny fitiavana dia ny fiainanao manontolo no mamirapiratra!

Mipetraka ao anatinao io fitiavana io, ary vonona ny hanazava ny fiainanao manontolo sy ny an’ny hafa ihany koa. Maniry hivavaka ve ianao? "Tompo ô, mangataka Aminao aho mba hameno ny fitiavanao ahy. Enga anie ny fiainako manontolo ho feno ny Fanatrehanao, ka tsy hisy ahasakana ahy hitia ny olona manodidina ahy. Aoka hamirapiratra amin'ny fiainako Ianao ary ho fitahiana lehibe ho an'izay rehetra mihaona amiko anio. Misaotra Anao noho ny fitiavanao! Amin'ny anaran'i Jesosy Amen."

MamirapirĂ ta hatrany.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.