🚧 Tao am-ponja
“Volana vitsivitsy lasa izay, dia tafalatsaka lalina tanteraka aho, tao anatin’ny fahakiviana, ary azoko antoka fa tena tafalatsaka amin’ny fara lalina amin’ny maha olombelona aho. Tany am-ponja, eny, tany am-ponja aho!
Tena mafy, raha fintinina. Fotoana iray nanova ny fiainako izany. Voahidy miaraka amin’ny fankahalako ny tenako rehetra aho sy ny fihetseham-poko, ary tonga tany amin'ny faran'ny ambany indrindra tamin'ny fiainako aho.
Nasaina hizara ny tantarako tamin’ireo vehivavy tao amin’ny fonja iray aho, ary nanontany tena aho hoe ahoana no ahafahan’ny tantarako hanome fanantenana an’ireo vehivavy ireo, izay efa nandalo fotoan-tsarotra maro.
Nefa vetivety teo dia takatro fa tsy hoe: "Manao ahoana ny olanao?" no ilaina fa hoe: “Manao ahoana ny halehiben’ny Andriamanitrao?”
Satria ireo vehivavy ireo dia tsy vitan'ny hoe liana amin’ny tantarako, fa ihany koa amin’ny hoe hay Andriamanitra dia liana ny amintsika, izay olombelona tsotra, amin’ny maha isika antsika, na inona na inona ny fonja misy antsika izao. Tsy maninona na meloka isika na tsy manan-tsiny, fa tonga Izy hanafaka ny mpifatotra – hanafaka anao, eny ianao!
Izany indrindra no antony nanirahan’Andriamanitra an’i Jesosy tetỳ an-tany: “Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina” (Lioka 4.18)
Andriamanitra dia mahita anao amin'ny fotoana rehetra! Na dia mahatsiaro aza ianao fa toa tsy misy mieritreritreritra ny fahorianao. Tahaka ny nahafahany nanatona ity tovovavy “tao am-ponja” ity, tamin’ny fanokafany ny varavaran’ity toerana ity ho ahy, mba hampitana izany FAHAFAHANA izany aminy, dia tsy hisy hahasakana Azy hitarika anao koa ho amin’ny tena FAHAFAHANA!
Na dia voafonja toy inona aza ianao, dia tonga hanafaka anao Jesosy!
Hoy ny tohin’ny hafatr’io tovovavy io: “Azoko antoka tanteraka fa Andriamanitra no naniraka anao teo amiko, mba haneho amiko fa manan-danja loatra aho. Naveriny tamiko ny finoako. Roa andro tatỳ aoriana, dia navotsotra avy tao amin’ny fonja aho, ary fantatro anio fa ny finoana no nanome ahy ny lalana mankany amin’ny fahafahana!”
Hahita anao koa Andriamanitra! Aza kivy, manàna finoana
Ho afaka ianao!!
