• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 18, 2025

Tanteraka ny zavatra rehetra !

Andro namoahana Apr 18, 2025

Alaivo sary an-tsaina hoe eny amin’ny Fitsarana ianao. Mavesatra tokoa ny porofo iampangana anao ary tsy azo ivalozana ny didim-pitsarana fa gadra mandrapahafaty. Saingy tampoka eo, misy zavatra tsy mampino mitranga : misy olona mitsangana mibaby ny helokao ary mandeha any am-ponja eo amin’ny toeranao ! 😲

Afaka ianao…nefa tsy mendrika izany akory.

Izany mihitsy no nitranga tamin’ny zoma masina. Jesosy, izay tsy nanan-tsiny, dia nomelohina, nihomehezana, nokapohina ary farany nofantsihina tamin’ny Hazo fijaliana. Tsy niaritra ny fahoriana fotsiny ihany Izy… fa nitondra ny vesatry ny otanao. 📖 « Ny famaizana nahazoantsika fihavanana no namelezana azy. » (Isaia 53:5)

Maro ny mihevitra fa ny fananana fiainana tsara sy ny ezaka atao no maha-mendrika fahafahana ny olona iray. Saingy teo amin’ny Hazofijaliana dia nanaporofo ny mifanohitra amin’izany i Jesosy : Misy vidiny ny fahafahana… ary tsy mba naloa tamin’ny volamena na tamin’ny fahefana izany fa tamin’ny Ràny. Saino ireo maherifo lehiben’ny tantara – ireo olona izay nanome ny ainy ho an’ny hafa. Tsy misy asa famonjena lehibe indrindra noho izao anefa dia Andriamanitra mihitsy no tonga olombelona, mba ho faty amin’ny toeranao.

Nahoana ?

➡ Satria tiany ianao.

➡ Satria tiany ho afaka ianao.

➡ Satria nandoa ny vidy lafo indrindra Izy ho anao.

💬 « Tanteraka ny zavatra rehetra! » (Jaona 19:30)

Tamin’ny alalan’ireo teny ireo dia nanao sonia ny fanafahana anao Jesosy. Ny zoma masina dia mampahatsiahy antsika ny sorona lehibe indrindra nisy hatrizay. Ny fahafahana dia fanomezana ho anao. 💝

Ry namako, milaza ny marina aminao araka izay azoko hatao foana aho. Raha ny fijery maha-olombelona dia tsy misy antony tokony maha-mpanoratra ny “Fahagagana isan’andro” ahy. Feno tsy fahombiazana ny lasako. Saingy manao ahoana kosa ny fijerin’Andriamanitra ?

Tsy mijery ny lasako intsony Izy - noho ny ràn’I Jesosy, efa nanangana ahy Izy.

Eny, na dia eo aza ny lasantsika dia manome fahafahana tsy manam-paharoa Andriamanitra ao amin’i Jesosy ! Noho izany, mankahery anao aho anio hijanona manoloana io hazofijaliana io ary handrombaka io fahafahana io – amin’ny alalan’ny vavaka tsotra manao hoe « Ray ô, mamindrà fo amiko. »

💛Ekeo izany fahamarinana izany - Noho ny ràny dia tonga fahatsarana ny lasanao izay efa rava. 🙏

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.