🤺 Tano mafy ny sabatry ny Teny!

Mamarana ilay lohahevitra isika anio, rehefa avy namakafaka nandritry ny herinandro tamin’ny antsipiriany ny andalan-teny tao amin’ny Baiboly dia te-hijery izany miaraka aminao amin’ny ankapobeny indray aho.
Hoy ny faran’ilay andalan-teny: “Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana” (Filipiana 2:14-16).
Ireto no zava-dehibe indrindra tamin’ny hitantsika:
-
Aoka isika hiala amin’ny fimonomononana, ny fitarainana ary ny fifandirana: tsy araky ny eritreretintsika fa ireo toe-tsaina ara-nofo ireo dia tena misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainantsika.
-
Rehefa misafidy ny hiala amin’izany isika dia mahatsapa fiovana lalina: lasa miseho ny maha izy antsika, lasa tsotra, marina, ary voatahy kokoa amin’ny zavatra rehetra ataontsika.
-
Amin’ny fialantsika amin’ny ireo toe-tsaina ireo dia tsy afaka mandoto antsika intsony ny fahavalo mba hampalemy antsika: mamela ny fahazavan’Andriamanitra hamirapiratra eo amintsika isika.
-
Miaina eo anivon’ny taranaka ratsy fanahy sy maditra izay tena mila an’io fahazavana ao anatintsika io isika: tsy maintsy manolotra izany isika, mba hiovan’ny maro amin’izany!
Tena tsara ny miaina amin’ny maha kristianina am- pahamarinana sy am-pahatsorana! Hofaranantsika amin’ny ilay teny farany nomen’ny Apostoly Paoly ho an’ny Filipiana ary ho ahy sy ho anao koa ity andiany anio ity mba tena hitoetra ao anatin’ny fahatsorana sy ny fitahiana isika: aoka isika hifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra!
Rehefa manjaka ao am-pontsika ny Fahamarinany, dia io ihany no fomba ahafahantsika mijoro hiala amin’ny lainga izay mitady hanakorontana antsika. Noho izany, dia aoka isika hihazona mafy “ny sabatry ny Fanahy, dia ny Tenin’Andriamanitra”(Efesiana 6:17).
Tsy ara-nofo ny adintsika fa ara-panahy, ary ny fiadiana ara-panahy ihany no hahazoantsika fandresena, ka ny Tenin’Andriamanitra no voalohany amin’izany. Miezaka mamitaka antsika amin’ny lainga ny fahavalo, kanefa manohitra azy amin’ny finoana tsy mihozongozona isika, ka mifikitra amin’ny fampanantenan’Andriamanitra amintsika.
Ry namako, amin’ny fanehoany ny Fahamarinany amintsika, dia manavao ny saintsika Andriamanitra, mba hijoroantsika amin’ny Fandreseny!
Te-hanolotra anao ity fanazaran-tena kely ity aho: Mijanòna kely anie, akipio ny masonao ary manontania an’Andriamanitra hoe: “Tompo ô, inona no tianao hovakiako ao amin’ny Teninao izao? Andraso segondra vitsy. Efa misy eritreritra sy andinin-teny ao amin’ny baiboly tonga tao an-tsainao ve? Mety tsy ho fantatrao izay lazain’io andalan-teny io. Raha izany, tadiavo ary jereo hoe: mihatra amin’ny toe-javatra iainanao ve izany?
Efa imbetsaka aho no talanjona sy voatahy tanteraka tamin’ny famakiana andalan-tsoratra masina iray izay tonga tao an-tsaiko kanefa tsy tadidiko akory ny tiany hambara, saingy nifanaraka tsara tamin’ny zavatra niainako izany. Ry namako, Andriamanitra dia te hiresaka aminao sy hampahery anao amin'ny alalan'ny Teniny, mba hiorenanao tsara! Ary rehefa manontany Azy ianao dia mamaly anao Izy 😉
Mivavaka aho mba hitondra fitahiana ho anao ity fanazaran-tena ity sy izay rehetra hitantsika tao anatin’izay andro maromaro izany 😉 Ato am-poko manokana ianao!
Fahagagana ianao!

