Tandremo, aza mihemotra intsony ankehitriny!

Misy “olana” iray ve izao eo amin’ny fiainanao izay toherinao?
Mety hoe ireo hafatra izay tsy sahinao sokafana ka mitombo isa tsikelikely eo amin’ny biraonao satria tsy tianao sahady ny zavatra ao anatiny? Na koa ny vadinao no olanao? Misy zavatra tsy milamina aminareo roa, saingy tsy te hanisy resaka mihitsy ianao, na dia izay aza no sitrapon’Andriamanitra:
“mitadiava fihavanana, ka araho izany.” (Salamo 34 : 14)
Ny tantaran’i Josafata dia mampiseho mazava amintsika ny zava-mitranga rehefa mandositra olana na manohitra izany isika. Satria raha nanohitra izany izy, ireo fahavalo izay tonga mba hamotika azy dia tena nahafaty azy tokoa, satria tsy tsara homana izy.
Tsikaritrao ve ny tolo-tsain’Andriamanitra tamin’io fotoana io? “Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy;” (II Tantara 20 : 16) Tsy izany angamba no tianao ho renesina, fa aleonao tsy miraharaha ilay olana, sa tsy izany?
Kanefa izao no ambaran’Andriamanitra aminao : “Mandehana miatrika ny olanao. Eny, sokafy ireo hafatra izay mampatahotra anao. Mitadiava fihavanana amin’ny akaiky anao ka miresaha momba ilay olana izay manimba” - HOMBAN’NY FIADANAN’ANDRIAMANITRA - atreho ary aza afenina intsony. Meteza hanatona voalohany!
Fantatrao ve ny fanomezan-tokin’Andriamanitra ho anao raha ianao no manatona voalohany?
“... midìna hiady aminy ianareo… Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo,” (II Tantara 20 : 16 - 17)
Endrey! Moa misy fampaherezana tsara kokoa noho izany ve?
Hoy Andriamanitra aminao :
“Mandehana miatrika ny olanao - fa IZAHO no hanome anao ny fandresena”!
Aza mangataka andro intsony, te hamaly soa ny herim-ponao Andriamanitra anio! Aza mandositra intsony, aza mihemotra manoloana ny olanao fa avelao Andriamanitra hamaha izany!

