⌛️Tamin’ny voalohany ny Teny…
Andinin-teny fanta-daza ao amin’ny Soratra Masina ny fampidirana ny toko voalohany amin’ny Filazantsaran’i Jaona, izay mampanakaiky antsika an’i Jesosy amin’ny fomba mahagaga sy sarobidy amin’ny alalan’ny fanambarany.
Ao amin’ny andininy 18 voalohany amin’io toko io tokoa i Jaona dia miresaka momba an’I Jesosy, izay Teny, izany hoe ilay « enti-milaza », dia ilay Asan’Andriamanitra miseho amin’ny alalan’ny Teny.
Nanan-danja lehibe tamiko foana io andinin-tsoratra io, ary izany no mahatonga ahy te handinika azy, ka hizarako aminao ny harena miafina hita ao amin’io lahatsoratra mahagaga io.
Manomboka amin’ireto andininy mahatalanjona ireto io toko io : “Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza” (Jaona 1, 1-3).
Tsy fantatro raha efa nianatra izany ianao na tsia, fa ny teny grika hoe "Logos" izay midika hoe "Teny Voasoratra" dia teny tena manan-karena amin'ny heviny. Mazava ho azy fa miompana amin’ny “Teny” (Jesosy noho izany no Tenin’Andriamanitra) ny hevi-daliny, saingy mifono dika manambara ny haranita-tsaina, ny fahatakarana ary ny asa ihany koa io voambolana io.
Eny, i Jesosy no tena famoronana hatrizay, Ilay namorona ny zava-drehetra niaraka tamin’ny Ray hatrany am-boalohany. Izy no Fahendrena izay hita ao amin’ny toko faha-8 ao amin’ny Ohabolana ary manambara momba ny fotoana Fahariana niaraka tamin’ny Ray : « Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona. » (Ohabolana 8:30-31). Mahafinaritra tokoa izany !
Ry namako, noharian’Andriamanitra tamin’ny fomba lavorary ianao, ary mifaly ny aminao sy ny fiarahana aminao Izy. Tsy kisendrasendra ianao ary tsy fahadisoana. Zava-boaarin’Andriamanitra sarobidy, izay namboariny tamin’ny fomba voakaly ianao. Anio, mifalia amin’ny Fanatrehany satria manana Ray izay tia anao ianao !
Fahagagana ianao !
