• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 30, 2026

Taiza ny sidinao no nigadona ?

Andro namoahana Apr 30, 2026

“Miarahaba tompoko, tongasoa ato amin'ny sidina mitondra antsika ho any…”  

Ka aiza no toerana tianao haleha amin’izao, ? 🛫

Angamba efa niverina avy nanao fialan-tsasatra ianao, na mety efa mipetraka eo ambonin’ny valizinao ianao, tsy andrinao izay hiaingana? Na koa mety nofoanana mihitsy ny fialan-tsasatrao amin’ity taona ity ?

Tamin’ny fotoana niasako an’habakabaka dia matetika aho nanararaotra maka fanahy ny mpandeha kely! Ohatra, lazaiko hoe: “Tompoko, tsy ho ela dia hotsenaina ianareo ao Londres” 🇬🇧– nefa nino izy ireo hoe mankany Barcelone no lalany !🇪🇸 Haha !

Fa ianao, inona no ataonao rehefa tonga any amin’ny toerana tsy noeritreretinao mihitsy ilay “sidin’ny fiainanao”? Te hiala sasatra ianao, nefa tsy tanteraka izany. Na koa mbola mafimafy kokoa : Nisy kihon-dalana lehibe teo amin’ny fiainanao ka nitondra anao tamin’ny toerana tsy nirianao?

Afaka zaraiko aminao ve ny zavatra niainako tamin’izaho mpiasan’ny fiaramanidina?

Isaky ny maraina, niaraka nivory izahay sy ny kapiteny (fivoriana fohy misy fampahafantarana sy toromarika). Lazain’ny kapiteny anay rehefa hoe mety hisy tafiotra sy horohoron-dranomasina mandritra ny sidina. Raha mitranga izany, nafarany mafy izahay hipetraka tsara sy hamehy fehikibo. Am-pahamatorana sy tsiky kosa izy no nilaza hoe: “Aza manahy fa ataoko mamakivaky an’io am-pilaminana tsara ianareo.”

Te hampahery anao aho anio ho : ny kapiteny ao amin’ny fiainanao, dia Jesosy, hanavotra anao soa aman-tsara mandritra ny fotoan-tsarotra Izy ! Hitanao ve Izy mitsiky aminao ankehitriny sy milaza hoe : “Aza matahotra, entiko mamakivaky an’ity fotoan-tsarotra ity am-pilaminana ianao”?

Ny hany ilainao atao dia ny manatona ilay kapiteny – Andriamanitra – mba hanao fivoriana kely miaraka aminy, ary hahatsiaro ilay teny feno fahamarinana hoe :

Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13)

Angamba tsy eo amin’ny toerana tianao ianao amin’izao fotoana izao, fa azo antoka hoe eo Andriamanitra miaraka aminao!

Fahagagana ianao! 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.