🤔 Taiza no nahalalany ny anaranao

Mandritra ny andro vitsivitsy dia hiresaka lohahevitra isan-karazany samihafa isika, kanefa samy ilaina avokoa ho an’ny fihetsika sy fihevitra ary fiainana andavanandro! Ireto misy fisainana kely izay mamporisika anao handinika lalina, ka handray fanapahan-kevitra tahaka ny hoe : “Aha, izay hevitra iray izay tena azoko ampiharina tsara”! Koa dia mazotoa, ekeo izay fiovana ary iaino tanteraka ny fifaliana aterany!
Nisy fotoana aho nisoratra anarana tao amin'ny toerana fikotranana vaovao iray vao haingana. Rehefa niditra aho dia gaga rehefa nandre hoe mifampiantso amin'ny anarany avokoa ny mpikambana rehetra.
Tamim-boalohany dia hoy aho hoe : “Mety efa mifankahalala tsara daholo izy ireo” avy eo rehefa nisy niarahaba aho : “Salama ise, tongasoa!” Fa dia nahoana? Tsy fantany aho!
Ny marina dia efa niomana tamin'ny fahatongavako izy ireo ary te hampiseho amiko fa nankasitraka ahy. Oay! Nahatsapa ho milamin-tsaina avy hatrany aho.
Rehefa antsoina amin'ny anarana dia tahaka ny hoe misy mahatsikaritra. Ary tsy misy resaka hoe fandresena, na manan-karena, na fanta-daza, na manam-pahaizana, na mampihomehy, na tsara endrika manokana. Rehefa mandre hoe “Tongasoa” dia mahatsiaro fahafaham-po tsy misy toy izany!
Koa raha olona iray (!) no miteraka fihetseham-po tahaka izany ao anatintsika, mainka fa Andriamanitra mihitsy no mitondra fahasambarana ho anao rehefa miteny hoe “...Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao…” (Isaia 43:1). Tsy azo sary an-tsaina, sa tsy izany?
Mihoatra lavitra noho ny fahatsapana ho sambatra fotsiny izany! Mitambatra daholo izany rehetra izany : hafaliana, fanajana, fitalanjonana, tsy finoana (iee) ary koa tahotra : “Tena mendrika Azy tokoa ve aho? Ampy Azy ve aho?”
Eny, ampy Azy ianao! Efa fantatr’Andriamanitra fa hanontany tena isika hoe : “Tompo ô, izaho mihitsy ve no antsoinao? Inona no tokony hamaliako izany?” Hoy Izy avy eo hoe : “Ahy ianao”! (Isaia 43:1) Teboka! Midika izany hoe : “Izay fotsiny! Tsy misy tokony hamalianao izany, tsy misy tokony hoporofoinao intsony, efa Ahy ianao!”
Mahazo matoky ianao rehefa mamakivaky ny tokonam-baravaranao anio fa eny rehetra eny Andriamanitra ary te handray anao amin'ny hafanam-po Izy hoe: “Tongasoa, izao mihitsy no itiavako anao! Ahy ianao!”
Eny, “Azy ianao. Eny, ampy Azy ianao. Mahalala ny anaranao Izy. Andriamanitrao!”

