• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 30, 2025

Tahotra ara-pahasalamana

Andro namoahana Nov 30, 2025

Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.” (Ohabolana 4.23)

Fantatrao tsara efa hatry ny ela angamba io andininy io ary isan’ny iray izay tena tokony henonao indray mandeha isan’andro fara faharatsiny !

Efa nanontany tena momba io andininy malaza sy mafonja io ve ianao ny amin’ny dikany marina ny hoe “tandremo”, izany hoe “tandremo ny fonao?”.

Raha hazavaina tsotra dia hoe, tokony hikarakara ny fontsika isika, toy ny fikarakarana ny zaza izay tazaintsika. Fa mbola misy fanazavana lalindalina kokoa anefa…

Raisin-tsika ohatra hoe, raha manan-danja aminao ny olona iray, ahoana no hanehoanao izany ? Hanaja izany olona izany indrindra ianao. Ary miaraka amin’izany fanajana izany dia mety hahatahotra kely ianao, ka tsy hanao na hisaina zavatra ratsy.

Hitanao ve ny tiako hahatongavana ? Hevitra tsara ironana izany satria tsy “safidy mahazatra”. Fa tena hiaro anao kosa nefa izany rehefa ela ny ela.

“Tandremo ny fisainanao sy ny fihetseham-ponao…” na hoe “Hajao ny fisainanao sy ny fihetsem-ponao”. Na koa hoe : “Hazony izany tahotra mangiana sy mahasalama izany,  izay te hampitandrina anao amin’ny fotoana rehetra.

Na ihany koa hoe : “Ny fihetseham-poko dia miteny amiko hoe tsy ho sambatra mihitsy aho ary tsy misy dikany ny fiainako, fa hitandrina tsara aho izao amin’izay mitranga ato anatiko. Manan-danja amiko loatra (ilay tahotra mahasalama) ny fisainako sy ny fihetsem-poko, ka toheriko avy hatrany izany amin’ny fanambarana ny Fahamarinan’Andriamanitra izany.”

Satria ny fahamarinana izay lazaina aminao dia hanafaka anao amin’ny fihetsem-po sy ny fisainana rehetra izay mahatonga anao tsy mahatoky tena ! 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.