Tahaka ny voromahery ianao

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Tahaka ny voromahery ianao

Manahoana ianao ry Namako,
“Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.” (Vakio Isaia 40.29-31.)
Efa nahita voromahery ve ianao?……Tahaka ny toa tsy mila ezaka be izy. Ny voromahery dia mandray ny rivotra miabo ary manaraka an’iny fotsiny izy fa tsy hoe manidina. Ny fiaingana ihany no mitaky ezaka avy aminy, fa avy eo dia mandamina ny diany izy ary manaiky entin’ny rivotra avy eo.
Tahak’izany no tian’Andriamanitra ataonao. Manidina tahaka ny voromahery…! Mandray ny fitsoky ny rivotry ny Fanahy Masina ary mijanona mifandray amin’iny tsiokan’ny Fanahy iny. Ianao koa, manaova ezaka ho tonga eo amin’ny fanatrehany, hiaina ary hiditra eo anivony.
Ny Baiboly dia milaza amintsika hoe : “Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.” (Vakio Romana 8.14.)
Miakara ambonin’io tranga lalovanao io, dia avelao ny Fanahy Masina (izay matetika oharina amin’ny rivotra ao amin’ny Baiboly) hitarika anao.
Ary aza adino : aleo misidina toy ny voromahery toy izay mikiky tany toy ny akoho….!
Manasa anao aho hanao ity vavaka ity miaraka amiko : “Tompo ô; mijoro amin’ny fampanantenanao aho, eo amin’ny fahatsaram-ponao sy ny fiadananao. Mino aho fa ny Fanahinao dia afaka mampahery ahy kokoa noho izay heveriko ary misafidy aho ny hatoky Anao. Ampio aho handray sy hitoetra eo amin’ny fitsokan’ny Fanahinao Masina ary hisidina ambony tahaka ny voromahery manoloana ireo atrehiko. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen”
Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!