🧔🏻‍♀️ Tahaka ny ahoana ny fahitanao an’I Jesosy ?

Fantatrao ve ireo resaka atao matetika mikasika an’I Jesosy? Ilay endrika feno hafanana sy fitiavana?
Raha manontany anao aho, tahaka ny ahoana ny fahitanao an’i Jesosy, inona no azonao havaly eo noho eo?
Satria misy fiantraikany lehibe amin’ny finoanao ny fomba fahitanao Azy!
Mihoatra lavitra noho ny hoe olona mitsiky lalandava sy feno hatsaram-panahy i Jesosy. Izy no ilay niteny tamim-pahatokiana hoe : “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;” (Matio 28 : 18)
Feno fitiavana Jesosy, eny. Fa feno fahefana koa Izy! Adinontsika matetika izany, satria mitady fitiavana fotsiny isika rehefa tojo olana. Fa tsy ny hampionona antsika fotsiny no tian’i Jesosy atao, fa te haneho ny Fahefany ka hamonjy anao koa Izy!
Nanasitrana ny rafozan’i Petera Izy tamin’ny alalan’ny fikasihan-tanana tsotra! (Jereo Matio 8 : 14 - 15)
Nandroaka devoly tamin’olona roa izy tamin’ny teny tokana (Jereo Matio 8 : 32). Rehefa hitany fa nataon’ny olona tsena ny tempoly, “dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby,” (Jaona 2 : 15)
Nosamborina tao an-tsahan’ny Getsemane Izy na dia niezaka niaro Azy ary ny iray tamin’ny mpianany, ka nanapaka ny sofin’ny iray tamin’ny miaramila, dia mbola hentitra hatrany Jesosy nilaza hoe “Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?” (Matio 26 : 53)
Tsy hoe mahatsapa ny alahelonao fotsiny Jesosy. Fa miady ho anao koa Izy, miaro anao, ary afaka manasitrana anao amin’ny teny tokana aloaky ny Vavany!
Tiako raha ovainao izay fahitanao an’i Jesosy izay. Satria Tompon’ny hery, ny fahatokiana, ny fahefana ary ny fahalehibiazana Jesosy! Ary heniky ny fitiavana loatra Jesosy ka tonga hatramin’ny hazofijaliana izany ho anao!
Afaka namonjy ny tenany Izy tamin’ny fanononana teny tokana. Saingy natolony ho anao izany:  “dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.” (Apokalypsy 1 : 18)
Io Jesosy feno hery io dia maty ho anao! Namana tena tia anao Izy, miaro anao ary mamonjy anao!
Fahagagana ianao!

