🥰 Tahaka izao no fomba fiadiko!

Efa nahatsapa ho voahodidin’ny olana ve ianao?
Ny tantaran’i Elisa mpaminany voahodidin’ny tafika syriana no anisan’ny tena manohina ahy indrindra ao amin’ny Baiboly. Hazavaiko anao: noheverin’ny mpanjakan’ny Syria hoe nisy mpitsikilo teo amin’ny olony, satria isaky ny hanafika ny Israely izy dia efa niomana foana ny Israely, tahaka ny efa fantany mialoha ny fikasany rehetra. Rehefa fantany fa hay Andriamanitra no nampahafantatra ny tetik’adiny tamin’i Elisa mpaminany dia naniraka tafika maro izy hisambotra azy.
Nihodidina tamin’i Elisa ireo tafika. Raha amin’ny fijerin’olombelona dia tsy afa-miala velively izy, ka naha-ketraka an’ilay zatovon’i Elisa. Na izany na tsy izany, nitoetra ho tony hatrany Elisa. Voalaza ao amin’ny Baiboly fa nivavaka ho an’ny zatovony ny izy hoe : “Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.” (II Mpanjaka 6:17)
Ry namako, te hamporisika anao aho anio mba hibanjina hatrany, tsy ireo olanao, fa ny Lanitra. Mety mahatsiaro ho voahodidin’ny haizina ianao, na koa olana, fampitahorana, tsy fahatokisana isan-karazany… fa raha ny marina, Andriamanitra dia miaraka aminao! Rehefa miaraka Aminy dia lasa maro ianareo.
Aza adino: eo am-piadiana ny “ady tsaran’ny finoana” ianao, ary ny fanalahidin’ny fandresena dia ny finoanao ihany. Koa anio, banjino ny Lanitra ary manomeza voninahitra an’Andriamanitra manoloan’ny adinao! Eny, lehibe lavitra noho izany Andriamanitra, ary ny fandresenao dia ao Aminy irery.
Mivavaka aho mba afahanao manonona izao miaraka amin’ny mpanao Salamo : “Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.” (Salamo 27:3)
Mitsangana ary mihazavĂ .
Fahagagana ianao!

