Tady telo olana
Misy fotoana tsara ianao mitokana irery, maka fotoana milamina miresaka amin’ny Tompo. Ao anatin’ny tontolo andro dia tsara manana io fotoana mitokana io ianao.
Fa tsy mety kosa anefa ny mitokatokana tsy manana fifandraisana amin’ny hafa satria mety ho lavo ianao, dia tsy hisy hanarina na hanampy hoy ny Mpitoriteny 4:9-10 “Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany. Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.”
Mihoatra lavitra noho izay koa anefa ny ambaran’ny Mpitoriteny 4:12 “Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.” Inona moa ilay hoe mahazaka telo olana? Izany dia entina hanamarihana hoe sarotra ravaina, mahazaka tsara ary tsy mora tapaka. Matetika io andininy io dia entina hanehoana fifandraisan’olona roa izay misafidy an’Andriamanitra ho ivo. Ary izay mihitsy no kisary tokony hazonintsika hoe rehefa Andriamanitra no ivo, miara-misalaha amintsika fa tsy sanatria anjorom-bala ka rehefa ilaina ihany vao antsoina, dia tsy misy maharava izany. Tady mahazaka ny tady telo olana (Miolana na miodina intelo) izay tena matanjaka sy tsy mora tapahina mihitsy.
Koa amin’io tokantranonao io, amin’io tetik’asa io,..... moa ve mampiasa ilay tady telo olana ianao sa mandeha irery? Safidio Izy ho ivo.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕