• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 16, 2026

SOKAFY NY MASON’NY FONAO

Andro namoahana Sep 16, 2026

“Andray kosa eee….tena tsy mampino ahy!!!”.. Izany no naverimberiko tamin’ilay andro nahitako fa nampirafesin’ilay olona niaraka tamiko tamin’izany aho, sady tsy nisy henatra na tahotra akory izy. Nalaelo aho, sorena ary tena kivy. Nampiasa ahy fotsiny izy ahatratrarana ny tanjony manokana. Kanefa dia kristianina izy, ilay hoe “nateraka indray”... fa ie, efa navelako efa ela ny helony.

Fa ny tiako ahatongavana dia izao: tena sarobidy ny fihainoana an’Andriamanitra. Efa nisy famantarana maro fa tsy nety nihaino aho satria latsa-pitia… mandefitra ny zava-drehetra hono ny fitiavana koa 🤦

Tsarovy anefa fa ara-panahy ny fiainana. Tsy miorina amin’ny fidoboky ny fo. Ny fonao dia afaka mitondra anao amin’ny toerana tsy izy fa ny Fanahin’Andriamanitra irery ihany no mpitari-dalana tsara. Raha iny aho no mba nihaino Azy dia tsy very fotoana sy hery hiady ho ana fifandraisana tsy hitondra ahy ho aiza akory. Fa misaotra an’ Andriamanitra ihany koa aho fa nandalo izany sedra izany ahafahako mizara sy mampahery anao koa anio. Hoy ity andinin-tsoratra masina ity hoe "Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo" (Galatiana 5:16)

Aza manaiky hikatso satria jamban’ny fientanam-ponao ihany. Ny nofo dia mitarika amin’ny fahafatesana ihany fa ny Fanahy no fiainana. Manasa anao aho hamaky ny Romana 8 manontolo.

Andriamanitra anie hanokatra ny masonao ara-panahy sy hitarika anao amin’ny tena anjara voatendry ho anao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny