• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 1, 2025

Sokafy ny fonao,

Andro namoahana Des 1, 2025

Ny fiarovana ny fo dia ady tsy vita mora! 

Satria misy vaovao mandifotra antsika mandrakariva. Vaovao momba ny zava-mitranga eran-tany,  momba ny manodidina antsika, ary indrindra indrindra, vaovao momba ny tenantsika.

Indraindray, ny fijery hafahafa ataon’ny mpandalo iray dia efa ampy hampikorontan-tsaina antsika ka hahatonga antsika hanontany tena hoe: “Misy zavatra tsy mety ve aty amiko?

Olombelona ihany ianao. Ary hiniako tsindriana ny hoe: olombelona ihany! Satria tsy ho vitanao ny mandray an’ireo fampahalalana rehetra ireo amin'ny fahaiza-manao amin’ny maha-olombelona, sy handrindra izany araky ny tokony ho izy, na dia eo aza ny ezaka rehetra ataonao.

Angamba hatramin'izao dia niezaka niaro ny fonao tamin'ny fananganana rindrina ianao ary tsy namela an’iza na iza hanatona izany. Sa mifanohitra amin’izany? efa nanokatra ny fonao foana ve ianao taloha, saingy indrisy voaratra, hany ka tsy sahy intsony ianao ankehitriny...

Mamelà ahy hilaza aminao izao: Misy fandrika be ny miezaka manao izany irery, satria tsy ho vitanao izany. Ary azo antoka fa hamotika anao...

Olona iray ihany no afaka miaro ny fonao.

Hamela Azy hiditra hitondra fahatsarana ve ianao?

Mino aho fa indraindray isika te hiaro an’Andriamanitra amin’ny fontsika , kanefa Izy irery ihany no afaka — ary vonona — hiaro anao! Te hameno ny fonao amin’ny fahamarinana Izy!

"Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana." (1 Jaona 4:7).

Avelao Izy hikasika ny fonao, fa Izy irery ihany no mahavita ny zava-drehetra ho anao anio!

Manomboka anio dia manasa anao aho hamerina ity andininy ity miaraka amiko ho tonom-bavaka:

"Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika" (Fitomaniana 3:41).

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.