Sitrakao ve ny … ?
Mihevitra ny tenanao ho olona tsara fanahy ve ianao, sa kosa olona maina ?Tsara ery ny mifandray amin’olona tsara fanahy ! Mamelombelona aoka izany ny miara-miaina amin’olona manana halemem-panahy eo amin’ny fiainany. Nandritra ny androm-piainako dia nifanena tamina olona maro izay masiaka fomba fanao aho na dia teo anivon’ny mpino aza. Ary ny olona nitondra fitahiana sy aingam-panahy indrindra ho ahy dia ireo izay manana hatsaram-panahy marina mipololotra avy ao amin’ny atilalin’ny fony.Hoy Jesosy : « Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany” (Matio 5:5) Eny ry namako, ain-dehiben’ny fiainantsika ny halemem-panahy satria maneho ny fon’Andriamanitra izany.Raha misafidy ny ho tsara fanahy hatrany ianao dia hiaina fitahiana goavana, ho an’ny fiainanao sy ho an’ny fiainan’ny hafa amin’ny alalanao. Io halemem-panahy eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa io no maneho ny fon’Andriamanitra, sy mamela anao hihanoka ny fiainana amin’ny fomba tsara kokoa.Ny Fahasambarana fahatelo noho izany dia mamporisika antsika hanana hatsaram-panahy miavaka ary fiainam-baovao sy voatahy amin’ny alalan’izany. Te hitombo amin’io sehatra io ve ianao androany ? Angataho amin’ny Tompo anaty vavaka ary : “Tompo o ! Te ho feno ny Fahatsaranao misimisy kokoa aho isan’andro. Tiako ho fenoinao ny Fitiavanao ny olona tsirairay aho, ka mba hahaizako mitondra tena amin’izy ireny tsirairay avy amin’ny fanehoana ny Halemem-panahinao, ny Fanajanao sy ny Fitiavanao. Ho loharanom-pitahiana ho an’ny olona mifanena amiko anie ny fiainako. Misaotra Tompo amin’izay rehetra ataonao amin’ny fiainako ! Amin’ny Anaran’i Jesosy. Amen !”Ato am-poko ianao.
