• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Nov 19, 2026

Shalom 🕊️

Andro namoahana Nov 19, 2026

Shalom 🕊️

Rehefa mifampiarahaba na mihaona iny dia ny ahafantarana ny kristianina amin’ny ankapobeny dia manonona hoe : “Fiadanana eee!”. Izany rahateo moa no toromarika nomen’ny Tompo antsika ao amin’ny Lioka 10:5 sy Matio 10:12-13. 

Zava-dehibe tokoa ny fiadanana.

Amin’izao vanim-potoana izao dia feno zavatra misafotofoto tsy ahitana fitsaharana mihitsy. Ianao izao anio nanao ahoana anio? 

Tena misaora ny Tompo raha feno fiadanana ao anatinao. Satria ny ankamaroan’ny olona amin’izao dia tena feno zavatra hafa…Indraindray aza moa ilay manonona hoe “Fiadanana e!” no tena tsy misy izany koa….

“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.” Jaona 14:27. 

Izany andinin-tsoratra masina izany dia tena afaka hampahery antsika. 

Ie, ny eto amin’izao tontolo izao rehefa manome zavatra dia matetika misy takalony na tsy maharitra na tsy tena avy amin’ny fo. Tsy toy izany ny an’Andriamanitra fa Fiadanana tsy miankina amin’ny toe-java-misy fa mifototra amin’ny fifandraisanao amin’i Jesosy Kristy izay mbola mampahery anao tsy alahelo na hatahotra. 

Tia antsika loatra io Andriamanitra io. Anio tena tononiko amin’ny foko manontolo ho anao izany “Fiadanana” izany ka na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainanao, na inona mbola tsy eo aminao dia hanenika anao anie ny Fiadanan’ny Tompo ka tsy hisy alahelo na tahotra hameno ny fonao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Tahiana manokana ianao.

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny