Sedrao ireo fitsapana lalovanao
Amin’ny ankapobeny, ny mifaly no zavatra farany tiantsika hatao rehefa mandalo fotoam-pitsapana isika.
Tsaroako ny fotoana nahavoan’ny gripa mahery ahy izay nandreraka ahy tanteraka, ilay karazana gripa mahalanaka sy mitondra fahatsapana ny vatana ho toy ny rava.
Mbola nianatra teny amin’ny Oniversite aho tamin’izany fotoana izany, ary satria nanana kilasy tena manan-danja izahay tamin’io andro io dia tsy maintsy nanangona ny heriko rehetra aho mba hiakanjo, handray ny fitateram-bahoaka ary handeha an-tongotra araka izay tratrako hatrany amin’ny Oniversite.
Mbola nahatsiaro ho tsy netinety aho teny an-dalana niverina…saingy nitsiky malefaka aho nihazo ny lalana mody. Tsy haiko hazavaina fa na dia tsy nahazo aina aza aho nandritra ny tontolo andro dia nahatsapa tsikelikely fankasitrahana ho an’ny Tompo.
Toy ny resy lahatra aho tamin’io fotoana io fa teo akaikiko ny Tompo na dia nalemy aza ny vatako. Teo anilako teo Izy ary tsapako fa niaro ahy.
Tsy nanana hery afa-tsy ny nitsiakana aho ary niteny taminy hoe “Misaotra Tompo o!”. Nameno hafaliana sy fiadanam-po ahy io vavaka tsotra io ary nanova io andro sarotra io ho lasa traikefa mahafinaritra.
Hoy ny Baiboly : “Ataovy ho fifaliana avokoa raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa ianareo…”(Jakoba 1.2)
Ry namako ! ao anatin’ny fitsapana sy ny zava-tsarotra iainanao androany, afaka mahita hafaliana lalina ianao raha manolotra ny tenanao ho an’ny Tompo sy misaotra azy manao hoe “Tompo ô! Misaotra anao miaraka amiko anatin’ny fitsapana.”
Eny, ny zava-tsarotra te hisedra anao, saingy ny hafalianao misedra ireo fitsapana lalovanao ireo! Rehefa jerenao amin’ny mason’ny finoana ireny dia hitanao fa tsy lehibe araka ny nieritreretanao azy akory.
Naka fotoana nisaorana ny Tompo ve ianao androany ?