• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 18, 2025

Satria tia anao Izy

Andro namoahana Des 18, 2025

Manana fotoana tsy dia mahafaly anao ve ianao anio ?

Vao aingana aho, raha nifoha maraina dia nieritreritra ilay asa tsy maintsy vitaiko, nefa tsy nanan-kery hanao azy akory aho. Dia nivavaka aho hoe : “Tompo Jesosy ô, tena tiako raha afaka hijanona eto miaraka Aminao fotsiny aho.”

Tamin’izay dia nandre feo avy amin’ny Fanahy Masina aho niteny hoe : “Eh… Tsy mino izay voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao ? Na dia mahatsiaro ary ianao hoe azo antoka ny ato an-trano, na dia tena mankafy ny fotoana mangina eto ary isika, miresaka am-pitiavana, dia tsy midika akory izany fa tsy eo anilanao intsony Aho, na tsy eo afovoan’ny tabataban’ny andavan’andronao.”

“Oh, marina tokoa izany !” Ahoana no ahafahako manadino ny fisian’Andriamanitra, satria lasa betsaka ny feo manodidina ahy !

Ry namako, aza adino - eo foana Izy miaraka aminao, na aiza na aiza alehanao !

Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina, Dia mbola entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.” (Salamo 139.8-10)

Na aiza na aiza halehanao anio, eo Izy ! Ary mihoatra noho izany aza : na dia hiezaka hiafina aza ianao, dia efa any Izy - any amin’ny toerana hiafenanao - ary antony iray ihany no mahatonga izany : satria tia anao Izy !

Hoy Jesosy : “ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.” (Matio 28.20)

Teny fikasana mahafinaritra tokoa izany anio ! Azo antoka tsara fa eo foana ny Ray miaraka aminao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.