Sarotra aminao ve ny manokatra ny Baibolinao ?
Rehefa manokatra ny Baiboly ianao dia misy zavatra iray mila takatrao tsara : ny teny rehetra vakianao ao dia manana hery hanova ny fiainanao !
Rehefa tsapanao izany fahamarinana izany, dia tsy hamaky Baiboly fahatany intsony ianao, tsia. Satria tokana ity boky ity. Eny, ao anatin’ny fahabetsahan-javatra ananantsika, hadinontsika hoe tena sarobidy tokoa izay eo am-pelatanantsika.
Firy ny Baiboly voatahiry tsara ao an-tranonao ? 📚 Ao amiko, misy folo farafahakeliny amin’ny fiteny samihafa. Kanefa ny “mandamina tsara” ny Tenin’Andriamanitra ao an-trano dia tsy ampy, raha tsy entintsika ao am-pontsika izany.
Ary ahoana no ahafantarana fa misy zavatra tena mitoetra ao am-ponao ? Rehefa fantatrao ny lanjany, rehefa tianao ! Ary angamba eo no mipetraka ny olanao : « Sarotra amiko ny manokatra ny Baiboliko… mora kokoa amiko ny mahita fotoana hanaovana zavatra maro hafa. »
Koa avelao aho hamerina aminao indray : Ny teny rehetra vakianao ao dia manana hery hanova ny fiainanao !
Voasoratra ao amin’ny Salamo hoe : «Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.» (Salamo 119.140)
Asongadin’ny mpanoratra eto fa nianatra nitia ny Tenin’Andriamanitra izy satria azony ny lanjany ! “Voazaha toetra ny teninao.” Amin’ny dikan-teny hafa dia ampiasaina ny hoe “nosedraina”, izay midika fa azo itokisana tanteraka sy marina.
Inona ny tenin’olombelona hoe tena madio sy tsy misy diso mihitsy? Tsy misy. Ary eo indrindra no anehoan’ny Tenin’Andriamanitra ny lanjany : satria ny teny rehetra vakianao ao dia manana hery hanova ny fiainanao !
Mamporisika anao aho hahatsapa izany fahamarinana izany, dia ho hitanao fa tsy ho asa tsotra fotsiny intsony ny mamaky Baiboly.
Koa alohan’ny hanokafanao ny Baibolinao, dia manoro hevitra anao aho hivavaka toy izao : « Ray ô, tiako ho azo sy hinoana ny teny rehetra hovakiako ! »
Ho gaga ianao hahita fa haingana dia haingana dia hianatra hitia ny Teniny 😉