• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 11, 2023

🔆🔆 Sarobidy amin’Andriamanitra ny farantsa roa kelinao.

Andro namoahana Nov 11, 2023

 

Tadidinao ve ny tantaran’ilay mpitondra tena mahantra nitondra fanatitra ?Indray andro Jesosy dia niaraka tamin’ny mpianany tao amin’ny Tempolin’ny Jerosalema. Raha nijery ireo olona nanatitra vola ho atao fanatitra Izy dia indro nahita vehivavy mpitondra tena nandrotsaka farantsa kely anakiroa natao fanatitra.Nanandratra ny feony Jesosy ka niteny hoe : « ..fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany. » (Lioka 21 :4)Eny tokoa, tsy ny habetsaky ny vola nomeny no nojeren’i Jesosy fa ny fony. Ireo olona tonga voalohany nitondra ny fanatiny dia nanome ny ampahany tamin’izay nananany ary tsara izany . Fa ity vehivavy ity kosa izay tsy mba manana harena akory dia nanao dingana lehibe tamin’ny finoana.Tamin’ny nanolorany ny fanatiny no nanehoany fa :

  • Zava-dehibe Aminy Andriamanitra.
  • Hiankina Aminy mandrakariva izy.
  • Natoky tamin’ny fanomezana ny kely nananany teo tamin’ny fiainany izy.

Nisarika ny sain’i Jesosy ny finoany sy ny fony.Tsaroako, nisy fotoana iray teo amin’ny fiainako aho tena nandalo fahasahiranana ara-bola, dia nanapa-kevitra hanao fanatitra tsy tapakaRaha ny kajikajy amin’ny maha olombelona dia tsy mifanaraka amin’ny fahafahako ny vola irian’Andriamanitra ho ataoko fanatitra …kanefa tena tsapako tato am-poko fa Andriamanitra no niantso ahy hanao izany! Noho izany, tam-pinoana ary tao aorian’ny vavaka dia nanomboka nanome ny vola tonga tato am-poko aho ho an’ny ministera kristianina samihafa.Nahatsapa fifaliana lehibe aho tamin’ny fankatoavana Azy. Tena mahatsapa fahafahana tokoa rehefa manao dingana am-pinoana toy izany ! Ary ny tena tsy mampino, maro ny varavarana nisokatra tsikelileky ho ahy ary afaka nandamina ny ara-bolako aho.Ry namako, hitan’Andriamanitra ny fahafoizanao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.