💠Sarobidy amin’Andriamanitra ianao !

Efa hamarana ity andininy ity isika, izay manao hoe : “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. ” (1 Petera 5:10)
Tato ato dia efa hitantsika ny fomba ampiasan’Andriamanitra ny fitsapana mba hanatsarany antsika sy hanamafisany ny finoantsika.
Raha ny marina, raha nivavaka aho talohan’ny nanoratako anareo momba ity lohahevitra ity, dia sary iray no tonga tao an-tsaiko : ny sary diamondra. Sarobidy tokoa ny diamondra satria mandalo dingana lava vao miova ho toy izany izy.
Voalohany, mandalo dingana famoronana izy izay mitaky tsindry sy hafanana avo be. Ao anatin’io dingana io no mametraka ny diamondra ho iray amin’ireo zavatra mafy indrindra eto amin’izao tontolo izao.
Fa tsy izay ihany: manaraka an’izay ny dingan’ny fanadiovana. Raha tsy misy an’io, dia mora afangaro amin’ny vato hafa ny diamondra mbola tsy voadio, satria amin’ny endriny tany am-boalohany, dia tsy misy mampiavaka azy amin’ny vato hafa.
Ao anatin’ilay fanadiovana io no isehoan’ny heriny sy ny famirapiratany miavaka. Noho izany, dia azo omena endrika izy, ho toy ny vatosoa mahazatra, ary afaka mampisongadina loko isan-karazany rehefa mandalo aminy ny hazavana.
Ao anatin’ny fitsapana, tsy hoe tian’Andriamanitra ho tanteraka sy hiorina fotsiny ianao, fa tiany ho lasa matanjaka kokoa.
Raha mijery ny taona vitsivitsy lasa ianao, dia mety ho tsy ho zakanao akory ireo fitsapana atrehanao amin’izao fotoana izao. Fa ireo fandresena azonao tany aloha no nampahery sy nampitombo anao, ka mahatonga anao ho vonona hiatrika fanamby vaovao sy hamela ny fahazavan’i Kristy hiseho bebe kokoa ao anaty fitsapana.
Ry namako, amin’ny fitsapana rehetra lalovanao, dia mihamafy ianao ary mampiseho bebe kokoa ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ! Miezaha amin’ny herinao rehetra, ary avelao Andriamanitra hanome hery anao mandritra io dingana io.
Sarobidy amin’Andriamanitra ianao.Fahagagana ianao !

