• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 17, 2025

Sambatra

Andro namoahana Aog 17, 2025

Iza no efa namaky ny Salamo 119? Ilay Salamo lava indrindra ao amin’ny Baiboly izay misy andininy 176. Fantatrao ve fa miresaka momba ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra izy io ary miantomboka mihitsy amin’ny hoe : Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah” (Salamo 119:1)

Betsaka ny olona miteny hoe sambatra i anona fa manambola be, sambatra itsy olona itsy fa manana fiara, sambatra izy ireo fa afaka mivezivezy any am-pita sns… Sambatra… Fa ny fahasambarana fara-tampony dia ny fandehanana amin’ny lala-mahitsy araky ny fitarihan’Andriamanitra. Mety misy ange amin’ireny olona heverintsika fa sambatra ireny, satria manan-javatra ara-materialy hita ety ivelany ohatra, no tena mitaintaina anaty sy tsy mba manana fitsaharana eee… Misy koa hoe mety manam-bola be fa taizan’aretina….

Ianao anefa ambaran’ny Baiboly hoe “sambatra” rehefa manao izay asain’Andriamanitra hatao. Tonga eo aminao ny fitoniana sy fiadanana tsy voavidim-bola, milamina ny tokantrano, salama sy ambinina ianao…Eny fa na misy ady atrehina aza dia milamina ianao ary misy fahitam-pitia tonga foana eo aminao.

Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!” (Salamo 119:5) midika hoe hiaina fiainana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra aho.

Ny andininy faha 32 dia manambara hoe Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.Tena misy fifaliana sy fivelarana rehefa mankató ianao.

Ny andininy faha 57 dia maneho fahavononana hanaraka ny Tenin’Andriamanitra sy hametraka Azy ho loha-laharana eo amin’ny fiainana. “Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.”

Tsongaiko farany manokana ny andininy faha 80 milaza toy izao hoe : Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.” Tsy hisy fahafaham-baraka na henatra hanjo anao rehefa miaina anaty fankatoavana an’Andriamanitra ianao.

Mbola maro izy ao anatin’io Salamo io fa manasa anao foana aho, raiso ny Baibolinao dia manovoza hery sy fanavaozana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ho lava be aminao intsony io Salamo io manomboka eto fa tena ho isan’ireo tena ankafizinao ny mamaky azy foana.

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.