• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Nov 15, 2026

Sakaiza mahatokyđŸ„°

Andro namoahana Nov 15, 2026

Sakaiza mahatokyđŸ„°

Rehefa misy zavatra karakaraina na sedra lalovana dia mety anisan’ireo olona mila mpanolo-tsaina ianao. Tsy ratsy velively izany akory fa misy koa anefa ilay antsoina hoe mpanoro vohana. Imaso izy mody tsara fa anefa dia mitarika amin'ny ratsy sy mitondra amin'ny faharavana. Misy tena namana akaiky no mamorika hoy isika izay. Am-boalohany dia toa tsara fanahy ery, ary roboka indraindray mamboraka tsiambaratelo. Mampalaelo anefa fa dia mitsinjo ny tombontsoany manokana izy fa tsy ny anao. 

Tsy milaza akory aho hoe toy izay daholo ny olona rehetra fa misy karazany. Nanana namana izay aho, Mialy ny anarany. Efa namako hatry ny fony kely. Tsy mba nifankafoy izahay roa vavy ary na inona na inona nitranga dia nifampizaranay teny. Nisy fotoana teo amin'ny fiainako tena nanalavitra an’Andriamanitra aho, araky ny efa nozaraiko teo alohaloha teo, fa tsy mba namotsitra ahy izy fa nivavaka ho ahy foana, nanoto lalana ary izy rahateo no nitarika ahy handray an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ahy. Sarobidy loatra ny fananana olona toy izany eo anilanao. Efa sambatra eo akaikin’ny Ray moa izy fa hatramin’ny farany dia naneho izay porofom-pitiavana izay tamiko izy. 

Mihoatra lavitra noho izany ny Fanahy Masina, ilay velona ao anatinao, ilay sakaizanao tsy mahafoy anao, ilay mpampianatra hendry. Hoy indrindra ny Salamo 32:8 hoe Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. 

Eo foana ho anao ny Fanahy Masina ary manolo-tsaina anao amin’ny ataonao, na alehanao, na kasaina rehetra ary tena anisany hankafiziny ny miresaka aminao, eny fa na dia zavatra heverinao fa bitika aza dia tiany ery rehefa zarainao Aminy. Kolokoloy ny fifandraisanao Aminy dia Izy hamboraka tsiambaratelo ho anao ary hanolo-tsaina anao. Izy hihevitra izay mahasoa anao foana ary hanome hanao fiadanana. 

Satria Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny