“Sahy maty”

Ary toa lehilahy daholo no ato fa angaha tsy nisy vehivavy azo alain-tahaka amin’ny fankatoavana ao amin’ny Baiboly e? 🥰 Tena misy!!!
Fantatrao ve i Hadasa? Ilay kamboty tsara toetra no tsara tarehy? Raha ampiako hoe notaizain’i Mordekay izy dia inoako fa hainao hoe iza no resahiko : Estera. Boky iray manontolo ao amin’ny Baiboly no mirakitra ny tantarany ary tena hanasako anao manokana ny hamaky izany na hamerina hamaky izany fa tena anisan’ny tantara tena mahafinaritra ahy tokoa….
Rehefa teo amin’ny toeran’ny vadin’ny mpanjaka izy dia naneho fahendrena lehibe ka nahatonga azy nahavonjy ny mpiray firenena taminy. Vehivavy sahy nijoro, naneho fahendrena sy fahatsilovan-tsaina ka nahatalanjona ny mpanjaka mihitsy. Vehivavy toy izany no ilain’ny firenena, sa ahoana hoy ianao? Sahy izy ka na mety ahafaty azy aza dia tsy nahoany fa nandroso izy. “...ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.” (Estera 4:16b)
Wowww….sahy maty tsy ho tombontsoany manokana loatra fa ho an’ny hafa. Modelim-pankatoavana tsy misy toy izany. Afaka tohizanao mamaky ny tantara fa tena misy lesona goavana azo tsoahina aho.
Anio, sahy maty ho an’ny Filazantsara ve ianao? Mety hoe tsy ara-bakiteny loatra fa eny, misy firenena feno misionera eran-tany amin’izao izay sahy maty noho ny Filazantsara. “Sahy maty” hoe manolotra izay sarobidy eo aminao rehefa izay ny torolalan’ny Fanahy Masina atao. “Sahy maty” hoe mila mifoha maraina kokoa fa maniry hiresaka aminao ny Tompo na dia mamirifiry aza ny andro. “Sahy maty” mahafoy vola aman-karena ho fitahiana ny hafa. “Sahy maty” ka mivonona hanohana ny asa fitoriana toy ny ataon’ny “fahagagana isan’andro” toy izao….
Fantaro fa rehefa tsy mifantoka amin’ny hanananao, na ny tenanao, na ny “titre”-nao ianao fa mametraka ny hafa mialoha ireo dia eo Andriamanitra no hanandratra anao sy hiaro ary hampahita fitia anao manokana. Tianao ve ny hiaina izany? Henoy ary izay lazain’ny Fanahy Masina tokony ataonao dia mahasahia mitsoraka fa ao ambadik’izany ny fitahiana sy ny valim-bavakao.
Satria tokoa, “iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana? (eo amin’io toerana misy anao io)” (Estera 4:14b)
Fahagagana ianao!

