• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 22, 2025

Sahirana ve ianao ?

Andro namoahana Okt 22, 2025

Vao avy niharan’ny toe-javatra iray izay tena nanohina ahy tanteraka aho!

Ny marina dia tafahoana matetika amina ramatoa iray izay tsy tena fantatro aho, fa nefa tena mahafinaritra ahy izy. Isaky ny mihaona izahay dia mifampizara ny mombamombanay tena manokana.

Toy izany no niseho tamin’ny fihaonanay farany. Fa ny tsy nieritreretiko dia hoe tsy afaka natoky an’io ramatoa io kay aho… Satria avy dia notantarainy sy naparitany avokoa ny momba ahy rehetra mba handavo ahy…

Tsy afenina aminao angamba ny alaheloko sy hakiviako! Raha efa niaina fivadihan-toky tena maharary tahaka izany koa ianao, manao ahoana ankehitriny?

Mazava ho azy fa avy dia napetrako tamin’Andriamanitra avokoa ny fihetseham-poko sy ny ahiahiko - satria tsy misy na iray aza maniry ny momba azy ho fanta-poko! Nanontany tena aho raha tokony nandray fepetra mba hanakanana ilay ramatoa tsy hahatanteraka ny fikasany.

Vetivety ihany dia tonga ny valin-tenin’Andriamanitra ary tsotra be : 

“Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo.” (II Tantara 20:20)

Ny zava-manjo ahy dia toa tsy misy fanafana, saingy Andriamanitra dia tsotra hatrany - fantatro fa hainy ny manova ny zavatra rehetra!

Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho.” (Salamo 46:10)

Norahonan’ny miaramila mahery koa Josafata, izay sady te hamotika azy amin’ny teny no te hamono azy koa, kanefa nivavaka tamin’ny finoana izy, izay angatahiko mba hataonao ihany koa anio, sy amin’ny fotoana hahatsapanao fa misy mandrahona ianao : 

Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.” (II Tantara 20:6)

Misy olona te hanisy ratsy anao ve, aza valiana amin’ny ratsy ny ratsy! Aza kivy, ento eo anatrehan’Andriamanitra ny mavesatra, Izy no hiteny farany!

Eny, tena tiany ianao - ary tiany ihany koa izay olona mampijaly anao!

Eny, fitiavana mandrakizay no itiavany antsika!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.