• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 30, 2025

🤔 Sahirana amin’izany ve ianao ?

Andro namoahana Jol 30, 2025

Tsy mampatahotra anao ve ny mahita hoe tena tia tena be loatra ny olombelona ? Izaho dia mahatsikaritra izany matetika. Mety ho malala-tanana amin’ny lafiny iray aho, fa amin’ny lafiny hafa kosa, mahatsapa aho fa mbola mila manao ezaka misimisy kokoa.

Amin’ny lafiny inona ianao no sahirana amin’ny fahavononana hanome ? Mety amin’ny vola ? Amin’ny fitiavana ? Mety hoe satria efa nisy naka ny fitiavanao, dia tsy naveriny taminao ? Na izany aza, Andriamanitra dia milaza mazava hoe : “Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao amin'ny asanao rehetra sy amin'izay rehetra ataon'ny tananao.” (Deoteronomia 15.10)

Matetika, ny mampanahy antsika rehefa manome, dia ny hoe sao tsy ho ampy ny antsika. Fa ny marina anefa, efa niainanao ve izany ? Raha ny tenako manokana aloha, dia mahazo mihoatra lavitra ary aho, ary matetika amin’ny fomba tena tsy nampoiziko hany ka tena lasa fifaliana tanteraka izany !

Izay manome be dia handray be koa !

Tamin’ny fotoana tsy nahasalama ny reniko, dia tiako ny manome fotoana azy. Mora izany aminy satria tena tiako izy. Ary na dia nisy zavatra hafa tokony nataoko aza – ohatra ny fanaovana fitantanam-bola tena maika – dia nifidy ny hijanona teo anilany aho. Ary henoko izy nilaza tamin’olona iray hoe : “Sarobidy ery ny asa ataon’izy io an ! Tena anjely kely izy! !”

Tsy ho vitako ny hilaza aminao hoe hatraiza no nanohina ahy izany! Raha tsy teo aho tamin’iny fotoana iny, dia ho fatiantoka lehibe izany tamiko!

Andriamanitra dia maniry hanome anao ny fahasoavany, rehefa manome ny hafa amin’ny fonao manontolo ianao!

Tsy hisy tsy ampy anao na oviana na oviana . Aza adino ny valisoa miandry anao !

Koa inona no fanapahan-kevitra raisinao anio ? Angamba hitondra an’ilay mpifanolo-bodirindrina antitra hividy entana ? Sa hanasa mpiara-miasa hisakafo miaraka aminao ? Ataovy gaga ny manodidina anao ny amin’ny fahasoavanao (avy amin’Andriamanitra !) — ary amin’izany, avelao hiditra ao amin’ny fiainanao ny fifaliana !

Andro mahafinaritra no miandry anao !Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.