• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 31, 2026

Sahia mijoro

Andro namoahana Okt 31, 2026

Matin-kenamaso. Efa hainao angamba io fiteny io e? Rehefa manao daholo ohatra ny namana na ny manodidina dia mahatsiaro ho voailika ianao raha tsy manao mitovy aminy. Matetika io mitranga any am-pianarana hoe manao kavina ila daholo ny ankizy dia pataloha miboritsaka ohatra dia miezaka mirona toy izay daholo satria hoe “tendance” eee… fantantsika ve fa ny zavatra rehetra dia niainga avy amin’ny atao hoe aingam-panahy (inspiration)? Dia tsara mandalina hoe fanahy iza ilay nanainga nitarika hanao izao sy izao…. Toy izany koa ny karazan-kira henoina na ny olona hiarahana, tena mila fahatakarana sy fahendrena mihitsy. 

Rehefa faran’ny volana Oktobra toy izao indrindra ohatra dia misy ilay fety avy any ivelany izay manindrahindra fahafatesana sy izay mifandraika amin’izay. Heyyyy, manompo Andriamanitra velona isika!!!! Ary efa nandresy ny fahafatesana. Aleo hatsahatra amin’izay ny fanaovana marimaritra iraisana ka hanakatona varavarana ho an’ny devoly izay tsy avy raha tsy hamono, handrava ary handringana. 

Hoy ny Romana 12:2 “Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina” 

Tsy maninona raha mety tsy maintsy ho alan’ny olona isika noho ny Filazantsara fa kosa tsy mamotsitra ny mandrakizay antsika. Sahia mijoro hanome voninahitra ny Andriamanitrao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny