Ry namako, vavaka 10 azonao atao.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, vavaka 10 azonao atao.

Tiako raha mba hahita fahagagana ianao anio. Ireto misy vavaka 10 izay azonao atao mba hahita an’Andriamanitra hiasa eo amin’ny fiainanao ianao anio :

Tompo o ovay aho, tohizo ny fanovànao ahy (Salamo 85.6). Vavaka tian’Andriamanitra valiana izany.

Manetry tena eto anatrehanao aho Tompo (Isaia 57.15 sy Jakoba 4.7 ary 2 Tantara 7.14). Izay manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra no asandratra!

Tompo o diovy aho. (1 Jaona 1.9). Mivavaha mba ho voavela heloka sy voadio amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Miderà Azy raha voavela ny helokao !

Tompo o, sitrano aho. (Jakoba 5.13-16). Mivavaha ho amin’ny fanasitranana ara-nofo ary koa ho amin’ny fanasitranana ny ratra tany aloha.

Tompo o, hamasino aho ! (1 Petera 1.16). Mivavaha mba hitarihany anao amin’ny fiainana masina.

Tompo o, tariho aho. (Jaona 4.34). Mivavaha mba hitarihan’Andriamanitra anao amin’ity andro anio ity. Miandràsa fifandraisana novokarin’Andriamanitra, tahaka ny filazako azy 🙂

Tompo o, fenoy aho (Efesiana 5.18). Mivavaha mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.

Tompo o, hosory aho. (Lioka 4.18 ary adininy 1). Mivavaha mba ho vonona hanompo ny Tompo.

Tompo o, ampiasao aho. (1 Korintianina 12.22-30). Mivavaha mba hampiasan’Andriamanitra anao araka ny toerana voatokana ho anao ao amin’ny Tenany.

Tompo o, iraho aho. (Matio 28.18-20). Mivavaha ho amin’ny fandraisanao anjara ho amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ary ity misy vavaka fanampiny farany : Tompo o, sitrano ny fireneko, Madagasikara. Satria Ianao nilaza : raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.(2 Tantara 7.14)

Matoky indrindra aho fa hamaly ny vavakao iray na maromaro Andriamanitra ary koa hiaina fahagagana iray ianao farafahakeliny androany. Tsindrindaona aho ny hahalala izay nataon’i Jesosy ho anao sy tamin’ny alalanao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!