• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 26, 2023

Ry namako, vakio ange ity fijoroana vavolombelona mahafinaritra be ity e !

Andro namoahana Jan 26, 2023

 

Betsaka ny fijoroana vavolombelona mahafinaritra be voaraiko ny amin’ny zavatra ataon’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny “Fahagagana Isan’Andro.” Tiako zaraina aminareo ihany ireny hampaherezako anareo. Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra !

Hoy i Marie-France :

“Tamin’ny alalanareo no nianarako namaky ny Tenin’Andriamanitra. Avy any Genève aho.

Hatomboko amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra izany ! Misaotra anao Fanahy Masina ny amin’ny fanambaranao ! Misaotra ny Tompo aho ny amin’ny asa fanompoana ataonao. Manana hafatra ho ahy Andriamanitra isan’andro ! Tsy takatry ny saiko tsotra izao, miaina amin’ny fahasoavan’ny Tompoko isan’andro aho.

Namaly vavaka ahy Andriamanitra : enin-taona izahay sy ny rahavaviko no efa tsy nifandray intsony noho ny tsy fifankazahoan-dresaka ! Nampaherezin’ny Fanahy Masina aho hiantso azy rehefa avy namaky ny hafatrao tao amin’ny ”Fahagagana Isan’Andro” ary dia namaly izy fa nalahelo ahy koa ! Ny tenin’i Isabelle io no namaly ny fanontaniako rehetra.

Faly be aho ny amin’ny zavatra iainan’i Marie-France. Tena Mino ny fahagagana eo amin’ny fiainanao aho, ny fahasalamanao, ny fifandraisanao amin’ny hafa, ny ara-bolanao, ny toe-java-misy eo aminao… Ianao koa ry Malagasy, tsy adinon’Andriamanitra ianao, manana zavatra tsara ho anao manokana Izy.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.