Ry Namako, tsy misy mahasaraka anao amin’ny fitiavany

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry Namako, tsy misy mahasaraka anao amin’ny fitiavany

“Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” Romana 8.38-39

“Fa matoky aho” dia azo adika koa amin’ny hoe “inoako tanteraka” na koa hoe “ resy lahatra aho”, na “azoko antoka”, na “tsy manahy mihitsy aho”. Manasa anao aho hamela ny Fanahy Masina androany hametraka ao am-ponao fa :

  • Na ny fahafatesana aza tsy hahasaraka anao amin’ny fitiavany…
  • Amin’ny andronao rehetra, tsy misy hahasaraka anao amin’ny fitiavany…
  • Ny anjelin’ny fahafatesana, na ny fanapahan’ny fahamaizinana tsy hahasaraka anao amin’ny fitiavany…
  • Na ny zavatra ankehitriny na ny ho avy tsy hahasaraka anao amin’ny fitiavany…
  • Na ny any ambony (izay toa manan-danja), na ny aty ambany (izay toa tsy misy dikany), tsy hahasaraka anao amin’ny fitiavany…
  • Na ny zava-boaary, na ny zava-manan’aina, na olona iza na iza tsy hahasaraka anao amin’ny fitiavany…

Ry namako, tia anao Andriamanitra taloha. Tia anao ankehitriny. Tia anao mandrakizay. Raha Andriamanitra no momba anao, iza no hahatohitra anao ?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!