Ry Namako, tsy misy ataonao intsony !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry Namako, tsy misy ataonao intsony !

Tena feno voninahitra ny fanekena vaovao, nentin’i Jesosy ho antsika !

Fantatrao angamba ry Namako, fa tao amin’ny Testamenta taloha, ny olona no niezaka nanatona an’Andriamanitra.

Satria nisy zavatra notakian’Andriamanitra, izay tsy azo notanterahana mihitsy toy ny hoe… “AZA mandainga… AZA manan’Andriamanin-kafa fa Izaho ihany, AZA manonona ny anaran’Andriamanitra foana, AZA mitsiriritra, sns.”

AZA : navesatra be tamintsika io teny kely io…

Fa ao amin’ny fanekena vaovao dia Andriamanitra no manao ny zavatra rehetra.

Nesorina ny “AZA”, izay naneho fa niankina tamin’ny olombelona ny zavatra rehetra,ary nosoloin’Andriamanitra tamin’ny “Izaho” an’i Jesosy, izay maneho mazava ny fanoloran-tenany : “Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Fa hamindra fo amin’ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.’’ (Ny Baiboly, Hebreo 8.10 sy 12)

Andriamanitra mihitsy no manolo-tena amin’izany fanekena vaovao izany. Noho izany, tsy misy zavatra miankina aminao intsony fa amin’Andriamanitra, amin’i Jesosy, izay nahantanteraka ny zavatra rehetra teo ambony hazo fijaliana, mba hahatontosa izany fanekena izany.

Te hanome voninahitra an’Andriamanitra miaraka amiko ve ianao ? Miankina Aminy ny zavatra rehetra !

“Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena !” (Ny Baiboly, Romana 11.36)

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!