Ry namako, toy izao aho ho anao
Manahoana ianao ry Namako,"Atrakao ny loha, fafao ny ranomaso, banjino hijery Ahy ny masonao ary mandrosoa! Izaho no Izy, ary miaraka aminao Aho. "Androany dia manasa anao aho hihaino ny Tompo hiteny aminao. Avelao izy hikasika ny ny fonao amin'ny alalan’ny teniny…Ry zanako,Izaho no Jehovah izay mihaino anao …Tsy misy tsy arako na ireo kiaka anao voalohany, ireo voalohan-teninao, ireo voalohan-tsentonao … Ny teninao rehetra dia tonga aty amiko avokoa ary henoko ny vavakao rehetra.Izaho no Jehovah izay manohana anao …Isan'andro, isan’ora, amin’ny fotoana rehetra dia miaraka aminao Aho. Miara-mandeha aminao Aho. Manome anao ny hery Aho hanatanterahana ny zavatra sarotra indrindra. Mamindra tendrombohitra ary mamakivaky ny tontolo andro amim-pahatokisana.Izaho no TOMPO miaraka aminao …Aza mieritreritra mihitsy hoe irery ianao, mahantra, very na kamboty … izaho no Izy, ary miaraka aminao Aho. HO ANAO aho.Atrakao ny lohanao, banjino hijery ahy ny masonao ary mandehana, mandrosoa, mihazakazakà, mandihiza, mihirà … Miara-mandeha aminao Aho, miara-miaina aminao Aho. Miaraka aminao Aho.Nalaina avy ao amin’ny Genesisy 16:13; Eksodosy 3.14; Salamo 121.5; Matio 1.23Misaotra fa misy ianao !
