• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 16, 2023

Ry Namako, tia anao manokana Andriamanitra

Andro namoahana Apr 16, 2023

 

Mametraka fanontaniana ny Baiboly ao amin’ny Romana 8.35 hoe : Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ?Tia anao Kristy, ry Namako !Manan-danja lehibe eo imasony  ianao. Tena lehibe ka nahatonga Azy nanolotra ny ainy ho anao.Nentiny teo ambony hazo fijaliana ny fahotanao. Fa nentiny koa ny fahorianao, ny fanaintainanao, ny aretinao. ( Vakio Isaia 53.4)Tena tiany ianao. Tsy misy hahasaraka anao amin’ny fitiavany.

  • Mahafinaritra ny fitiavany.
  • Tsy misy fepetra ny fitiavany.
  • Manokana ny fitiavany.
  • Tsy misy fetra ny fitiavany.
  • Mandrakizay ny fitiavany.

Mampahery manokana ny namako Malagasy aho, Tia anao Andriamanitra, tsy nanadino anao Izy. Tsy voafaritry ny zavatra vitanao na tsy vitanao eo aminao ny Fitiavany.. Tsy voafaritry ny toetry ny ekonomia Malagasy na izay mitondra ny firenena ankehitriny… Tsy misy fetra sy tsy miankina amin’inona na inona ny Fitiavany an’i Madagasikara.Lazao androany fa tia anao manokana Andriamanitra. Hisaory Izy noho ny fitiavany maharitra mandrakizay.Misaotra fa misy ianao,

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.