Ry namako, tia anao andriamanitra, ‘zay fotsiny !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, tia anao andriamanitra, ‘zay fotsiny !

Manahoana ianao ry Namako,

Tamin’ny fiandohan’ny asa fanompoako dia nandratra olona maro aho : tao am-piangonana, tao amin’ny Top Chrétien, tany amin’ireny fikambanana niasako ireny. Tena nanenina aho ny amin’izany, ary efa nifona tamin’ireo olona tafintohina tamiko ireo aho rehefa afaka nanao an’izany.

Indray andro dia niaina zavatra tena nahafinaritra niaraka tamin’Andriamanitra aho. Navelako teo am-pototry ny hazo fijaliana ny tsy fahatokiantena nitaiza ahy. Nanafaka ahy Jesosy ary niova tanteraka ny fifandraisako taminy nanomboka teo.

Nibaribary tamiko fa Raiko Andriamanitra ary tia ahy amin’ny fitiavana tsy misy takalony Izy. Ato amiko ny fifaliany. Zanany aho ary manana planina tanteraka ho an’ny fiainako Izy.

Omeo an’i Jesosy ny momba anareo rehetra. Asehony aminao ny fomba ahitany anao dia ho fantatrao fa tena hafa ny fijeriny anao. Tiany ianao, izay fotsiny !

Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!