Ry namako, te hanome fahasambarana anao Andriamanitra !
Manao ahoana ianao ry namako,
“SAMBATRA ny olona Izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, Ary tsy mijanona eo amin’ny làlana falehan’ny mpanota, Ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira; Fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; Eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, Izay mamoa amin’ny fotoany, Ny raviny koa tsy mba malazo; Ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1.1-3)
Andao atomboka amin’ny Salamo 1 ity taona vaovao ity!
Tsikaritrao ve fa manomboka amin’ny teny hoe “sambatra” ny Salamo 1, ary toy izany koa ny toriteny nataon’i Jesosy?
Hoy Jesosy tamin’ny tori -teny teo an-tendrombohitra…
Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. (Matio 5.3-4)
Ny dikan’ny teny hoe “sambatra” ao amin’ny diksionera Larousse dia hoe… migoka fahasambarana, faly tanteraka amin’ny zavatra manjo azy, tena afa-po.
Te hanome fahasambarana anao Andriamanitra. Ary tsy vetivety fa maharitra. Ary tsy eto an-tany ihany fa mandrakizay.
Jesosy ihany no afaka manome ny faniriana lalina ao anatin’ny fonao rehetra. Izy ihany koa no manome ny fahafaham-po.
Ao amin’ny Teniny no hanomezan’Andriamanitra antsika ny fomba hahasambatra na koa tsy hampalahelo antsika.
Mino aho fa izany ny fanirian’Andriamanitra ho aminao manokana sy ho an’ny tanintsika, ka ho to ny hira manao hoe : “dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay”
Misaotra fa misy ianao !